Klemento avy any Rôma
Klemento avy any Rôma | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Klemento avy any Rôma | ||
Teraka | Taona 40 | ||
Maty | Taona 99 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Empira Rômana | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Klemento avy any Rôma na Klemento I dia anisan' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) atao hoe Ray Apôstôlika izy. Mpanao asa soratra mizaka ny zom-pirenen' ny Empira Rômana teraka tamin' ny taona 40 tao Rôma izy ary maty tamin' ny taona 99 tao Rôma ihany. Atao hoe Clemens Romanus izy amin' ny teny latina. Araka ny filazan' i Ireneo avy any Logdonoma dia eveka fahatelo tao Rôma i Klemento sady nifankalala amin' i Piera (na Petera) sy Paoly. Ray Apôstôlika voalohany sady papa izy, nanoratra epistily iray izay nalefan' ny Fiangonan' i Rôma tamin' ny taonjato voalohany ho an' ny Fiangonana any Kôrinto. Fantatra noho io taratasy io sy noho ny vavolombelona maro ny momba azy.
Araka an' i Ireneo sy i Tertoliano ary i Eosebiôsy avy any Kaisarea fa i Klemento dia iray amin' ireo eveka voalohan' i Rôma, dimbin' i Petera. Ankehitriny dia ataon' ny Katôlika rômana ho papa fahefatra izy (Papa Klemento I).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Ray Apostôlika:
- Klemento avy any Rôma,
- Ignatiôsy avy any Antiôkia,
- Pôlikarpôsy avy any Smirna
- Papiasy avy any Hierapôlisy.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Septambra 21, 2014 at the Wayback Machine