Aller au contenu

Logdonoma

Avy amin'i Wikipedia
Teatra tamin' ny Andro Taloha tao Logdonoma

I Logdonoma dia tanàna rômana lehibe tany Galia, izay niorina ao amin' ny misy an' i Lyon (Frantsa) ankehitriny. Atao hoe Lugdunum na Lugudunum izy amin' ny teny latina. Ity tanàna rômana ity dia naorin' i Lokio Monatio Planko (Lucius Munatius Plancus) tamin' ny taona 43 tal JK, saingy nanohy ny tanàna gaoloà nisy mponina an' arivony maro.

I Logdonoma no renivohitry ny faritany rômanan' i Galia Logdoniana (Gallia Lugdunensis) sady tanàna lehibe tany amin' ny tapany andrefan' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato maro. Teraka tany Logdonoma ny emperora roa, Klaodio sy Karakala. Tamin' ny vanim-potoan' ny taona 69–192 dia mety ho 50 000 hatramin' ny 100 000 ny mponina tao amin' io tanàna io, ary mety ho nahatratra 200 000.

Ny tanàna rômanina tany am-boalohany dia teo andrefan' ny fihaonan' ny ony Rhône sy ny renirano Saône, eo amin' ny havoana maromaron' ny tanànan' i Fourvière. Tamin' ireo taonjato faramparany nisian' ilay Empira, ny ankamaroan' ny mponina dia tao amin' ny lohasahan' ny reniranon' i Saône teo am-pototr' i Fourvière.