Paoly (apostoly)
I Paoly Apostoly, Apostoly Paoly, Paoly avy any Tarsisy na Paoly dia apostolin'i Jesosy nefa tsy anisan'ireo apostoly roa ambin'ny folo lahy. Mizaka ny zom-pirenena romana izy sady Jiosy fariseo. Talohan'ny naha apostoly azy dia mpanenjika ny fivavahana kristiana izy nefa niova finoana taty aoriana.Nanorina fiangonana maro izy sady nanoratra epistily maro koa, izay atao hoe epistilin'i Paoly.
Απόστολος Παύλος / Apostolos Paulos ("Paoly Apostoly") no ahafantarana azy amin'ny teny grika fa Paulus Tarsensis ("Paoly ilay Tarsiana") kosa amin'ny teny latina.
Ireo epistily ataon'ny lovantsofina fa nosoratan'i Paoly[hanova | hanova ny fango]
Telo ambin'ny folo (13) ny isan'ireo epistily ireo ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Vaovao. Misy amin'izy ireo ny nosoratana ho ana fiangonana, misy kosa ny nosoratana ho an'olona manokana dia ireo atao hoe Epistily pastoraly. Resy lahatra ny ankamaroan'ny mpikaroka ankehitriny fa tsy isan'ny epistily nosoratan'i Paoly ny Epistily ho an'ny Hebreo. Ireto avy ireo epistilin'i Paoly ireo:
- Epistily ho an'ny Romana,
- Epistily voalohany ho an'ny Korintiana,
- Epistily faharoa ho an'ny Korintiana,
- Epistily ho an'ny Galatiana,
- Epistily ho an'ny Efesiana,
- Epistily ho an'ny Filipiana,
- Epistily ho an'ny Kolosiana,
- Epistily voalohany ho an'ny Tasaloniana,
- Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana,
- Epistily voalohany ho an'i Timoty,
- Epistily faharoa ho an'i Timoty,
- Epistily ho an'i Titosy,
- Epistily ho an'i Filemona