Epistily ho an'ny Hebreo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Epistily ho an'ny Hebreo na Epistola ho an'ny Hebrio na Taratasy ho an'ny Hebrio dia boky hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Vaovao izay isan'ny atao hoe epistily. Taratasy nalefa ho an'ny Jiosy kristiana izy io.

Anaran'ny boky[hanova | hanova ny fango]

Επιστολή προς Εβραίους / Epistolê pros Ebraious no fiantsoana azy amin'ny teny grika fa Epistula ad Hebraeos kosa amin'ny teny latina.

Mpanoratra sy fotoana nanoratana azy[hanova | hanova ny fango]

Raha ny lovantsofina hatramin'izay nilaza fa i Paoly no nanoratra ity epistily ity, ny mpikaroka amin'izao fotoana izay dia mitsipaka izany. Tsy fantatra marina ny olona nanoratra io taratasy io na dia heverina ho teo anelanelan'ny taona 60 sy 100 no nanoratana azy.

Famintinana[hanova | hanova ny fango]

Ny Taratasy ho an'ny Hebreo dia anambaràn'ilay nanoratra azy fa lehibe noho ny anjely rehetra i Jesosy Kristy (Heb. 1.5-14), lehibe noho ny mpaminany rehetra hatramin'i Mosesy (na Môizy) izy (Heb. 2.1-4.14). I Jesosy no ilay Mpisorona fanaperana noho izy tsy nanota na indray mandeha aza, sy noho hy nanolorany ny ainy izay sorona tongalafatra hanesorana ny fahotana rehetra (Heb. 9.23-10.18). Ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty no nanokafany ny lalana hizoran'ny olona mankany amin'Andriamanitra (Heb. 4.14-5.10; 7.1-8.13). Manantitra ny maha zava-dehibe ny finoana ity taratasy ity ka milaza fa tanteraka amin'ny alalan'ny finoana ny zavatra rehetra omen'i Jesosy. Io finoana io no mahatonga ny mpanaraka an'i Jesosy hatoky ny zavatra antenainy na dia tsy hita maso aza. Midera ny finoan'ireo olona tany aloha an'Andriamanitra ny mpanoratra (Heb. 11.1-40) sady mamporisika ireo mpanaraka an'i Kristy amin'izao fotoana izao amin'ny fifanalana hazakazaka ataon'izy ireo (Heb. 12.1-3).

Fizaràna[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina telo ny epistily:

Ny fahamboniana fara tampon'i Jesosy Kristy (1.1 - 4.18)[hanova | hanova ny fango]

  • Ny asa fanompoan'i Kristy (1.1-3)
  • Lehibe noho ny anjely i Kristy (1.4 - 2.18)
  • Lehibe noho ireo mpisorona malaza i Kristy (3.1 - 3.6)
  • Ny tsy finoana (3.7 - 4.13)

Sady mpisorona no fanati-pisoronana i Kristy (4.14 - 10.18)[hanova | hanova ny fango]

  • Mpisorona be i Kristy (4.1 - 5.10)
  • Mpisorona fara tampony i Kristy (5.11 - 6.20)
  • Mpisorona mbola ambony noho ny Levita i Kristy (7.1 - 7.)
  • Sorona tsara lavitra noho ny nataon'ny mpisorona hafa rehetra (8.1 - 10.18)

Faharetana amin'ny finoana sy hatsaram-panahy (10.19 - 13.25)[hanova | hanova ny fango]

  • Sorona tsy mampanary toky ho an'ny rehetra (10.19-39)
  • Ny Finoana ihany hatramin'izay ka hatramin'izao (11.1-40)
  • Tsy hijery afa-tsy i Kristy sy hino ny fitiavan'Andriamanitra (12.1-29)
  • Tokony hanaraka ny ohatr'i Jesosy Kristy tsy miova (13.1-19)
  • Vavaka sy fanaovam-beloma nataon'ny mpanoratra (13.20-25)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]