Fokom-pirenen' i Benjamina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fokon' i Benjamina)
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

Ny fokom-pirenen' i Benjamina na fokon' i Benjamina dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao antsinanana. Iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina.

I Benjamina[hanova | hanova ny fango]

I Benjamina (hebreo: בנימין / Binyamin) dia zanaka faha-13 sady faralahin' i Jakoba. I Rahely no anaran-dreniny. I Jôsefa irery ihany no rahalahy iray reny aminy. Ireto ny zanany lahy: Bela, Bekera, Asbela, Gera, Naamana, Ehy, Rosa, Mopima, Hopima ary Arda (Genesisy 46:21).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Benjamina[hanova | hanova ny fango]

Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao atsinanana.

I Jerosalema sy i Jerikô sy i Betela ary i Gibeona no tanàna malaza ao aminy. Tao Rama no teraka ny mpaminany sy mpitsara farany Samoela ka rehefa avy nobeazina tao Silô izy dia nonina tao Rama indray (1 Sam. 7:17) izay voalaza fa misy ny fasany (1Sam. 25:1).

Fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana dia iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Samaria tamin' ny Fanjakan' i Jodà.

Olona isan' ny fokon' i Benjamina[hanova | hanova ny fango]

Ny fokom-pirenen' i Benjamina no nipoiran' i Saoly (na Saola), mpanjaka voalohan' i Israely sy nodimbasan' i Davida. I Abidana no andriandahin' ny fokom-pirenen' i Benjamina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]