Davida (mpanjaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Davida
David SM Maggiore.jpg
Ankapobeny
Anarana Davida
Teraka 1040 tal. J.K.
Maty 970 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

Davida dia mpajakan'i Israely teraka tokony ho tamin'ny taona 1040 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 970 tal.J.K. tao Jerosalema. Araka ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly dia mpanjaka faharoan'i Israely nandimby an'i Saoly (na Saola) i Davida teo anelanelan'ny taona 1000 sy 970 tal. J.K. Taranany ireo mpanjakan'i Jodà nifandimby. I Davida no mpanjaka nahatanteraka ny firaisan'ny Israelita rehetra sady nanao an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Amin'ny Kristiana dia tandindn'ny Mesia izy. Ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka ary ny Boky voalohan'ny Tantara no tena ahitana ny tantarany ao amin'ny Baiboly.

Tantaran'i Davida araka ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe דָּוִד / Dawid i Davida amin'ny teny hebreo, izay midika hoe "tiana indrindra", "malala".

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Jese no rainy. Ny vadiny dia i Batseba (na Betsabe) sy i Abigaila sy i Egla sy i Maka sy i Ahinoama sy i Hagita ary i Abitala. Ny zanany dia i Solomona sy i Absaloma sy i Kileaba sy i Tamara sy i Natana sy i Adonia sy i Amnona sy i Jibara ary i Jerimota.

Ny fahazazany sy ny fahatanorany[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Betlehema i Davida. Izy no faralahin'i Jese mpiompy ondry tao amin'ny fokon'i Jodà. Niandry ny andian'ondrin-drainy i Davida nandritra ny fahatanorany. Nibaiko ny mpaminany Samoela Andriamanitra mba handeha mangingina any amin'i Jese hisafidy izay handimby an'i Saoly mpanjakan'i Israely amin'ireo zanany sivy lahy. I Davida faralahy no nosafidin'i Samoela ka nohosorany menaka, araka ny Boky voalohan'i Samoela (1Sam. 16.1-13). Mpitendry zavamaneno mahay i Davida ka noraisin'i Saoly tao an-dapany mba hankafizany ny fanenenon'ny valihany.

Nobatain'i Davida ny lohan'i Goliata, sary nataon'i Josephine Pollard, taona 1899.

Ny fandreseny an'i Goliata sy fanenjehan'i Saoly azy[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana, nandritra ny fotoana nampifandimbiasany ny findrasana ondry sy ny nitendreny valiha tao an-dapa dia nitsidika ny tobin'ny miaramila israelita izy mba hanome hanina ireo rahalahiny. Tany no nahalalany fa misy lehilahy amin'ny fahavalon'ny Israelita, dia ilay mpiady mahery indrindra tamin'ny tafiky ny Filistina, atao hoe Goliata avy any Gata, izay nanao fihaikana ny Israelita hanao adin'olon-droa alohan'ny tena hiadian'ny tafika roa tonta. Nanolo-tena hamaly izany fihaikana izany amim-pahasahiana i Davida. Rehefa natao ny adin'i Davida sy i Golilata teo amin'ny lohasaha Elaha, dia voan'ny vato natorak'i Davida tamin'ny antsamotady i Goliata ka maty ka notapahin'i Davida ny loha (1Sam. 17.40-54). Raiki-tahotra ny Filistina ka nandositra. Tamin'izany no nahatonga an'i Davida ho mpinamana tamin'i Jonatana zanak'i Saoly.

I Davida mpandresy, nataon'i Matteo Rosselli, 1620

Niteraka fatahorana sy fialonan'i Saoly izany lazan'i Davida izany, satria nihevitra i Saoly fa tsy hahatanteraka ny fandovan'ny zanany lahy ny fanjakana izany. Nikendry ny hahafaty an'i Davida i Saoly ka nomeny azy ho vadiny ny zanany vavy atao hoe Mikala nefa tsy maintsy hiady amin'ny Filistina zato i Davida alohan'ny hanatanterahana ny fanambadiana (1Sam. 18.20-27). Resin'i Davida, izay lasa vinanton'i Saoly noho izany, ny Filistina, nefa nitohy ny fifofoan'i Saoly ny ain'i Davida. Nandositra tany an-tany efitra sahala amin'ny olon-dratsy i Davida ka nikambana tamin'ny jiolahy izay nanampy azy. Rehefa nitady azy i Saoly ka nahita azy sady saika hahafaty azy, dia nakany amin'ny Filistina fahavalony taloha, ka nanompo ny mpanjakan'ny Filistina tao Gata, atao hoe Akisy, i Davida.

Ny fiakaran'i Davida teo amin'ny fitondrana[hanova | hanova ny fango]

Rehefa maty i Saoly sy i Jonatana, tao amin'ny ady nifanaovany tamin'ny Filistina, dia niverina tao amin'ny tanin'i Israely i Davida ka nasandratra ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà tao Hebrona (2Sam. 2.1-4), nefa tsy nanitatra ny fanjakany tamin'ny fokon'i Israely hafa izy. Fito taona taty aoriana dia nanaiky an'i Davida ho mpanjakany ny fokon'i Israely sisa rehetra, talohan'izany dia notapahin'i Isbaala (na Isboseta) zanak'i Saoly izy ireo (2Sam. 5.1-5).

Niady matetika i Davida ka nandresy ny Filistina, ny Moabita, ny Arameana, ny Edomita ary ny Amonita, dia lasa lehibe ny tany notapahiny tao amin'ny fanjakan'i Israely fony mbola tsy nivaky, ka izany no tanim-panjakana lehibe indrindra teo amin'ny tantaran''i Israely. Mba hampiraisany tanteraka ilay fanjakana vaovao dia nalainy ny mandan'ny Jebosita (na Jeboseana) tao Ziona (na Siôna) ka nataony renivohitra ny tanàna jebosita atao hoe Jerosalema, izay lasa fantatra amin'ny anarana hoe "tanànan'i Davida" (2Sam. 5.6-9). Nitoky tamin'Andriamanitra i Davida ka nanaraka an-tsakany sy an-davany ny tenin'ny mpaminany, indrindra ny an'ny mpaminany Natàna izay nandrara azy tsy hanangana ny tempoly hametrahana ny fiaran'ny Fanekena. Nanambara ny mpaminany fa tsy mendrika ny olona mpiady ny hanao izany asa izany sady ny zanak'i Davida no hanatanteraka ny fananganana ny tempoly (2Sam. 7.1-7). Noho izany dia tao anaty tabernakely ao Jerosalema no nametrahana ny fiaran'ny Fanekena, ka nahatonga an'io tanàna io ho foiben'ny fivavahana sy renivohi-panjakan'ny tany nakamban'i Davida. Tao Jerosalema no tena nanaovana fihirana salamo amin'ny fotoam-pivavanana ka nahatonga an'i Davida ataon'ny lovantsofina fa mpamorona ny salamo miisa 73 ao amin'ny Bokin'ny Salamo ao amin'ny Baiboly.

Ny fahotan'i Davida sy ny vokatr'izany[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanjaka Davida mitazana an'i Batseba mandro

Nanao fahadisona lehibe i Davida rehefa nahatratra ny tampon'ny voninahiny, dia ny nanaovany fijangajangana niampy vonoan'olona. Raiki-pitia tamin'i Batseba (na Betsabe), izay vadin'ny miaramilany atao hoe Oria izay lehilahy Hitita (na Heteana), mantsy ny mpanjaka Davida. Nitoe-jaza ilay vehivavy dia nalefan'i Davida tany an'ady eny alohan'ny miaramila rehetra i Oria ka maty (2Sam. 11.2-27). Mba ho setrin'ny fahotany dia maty ilay zaza vokatry ny fijangajangana tamin'i Batseba. Fanampin'izany koa dia nanakorontana ny filaminana tao an-dapa ny zanaka lahin'i Davida, ohatra amin'izany i Absaloma zanany izay tsy nikomy taminy nefa tsy nahomby ka niafara tamin'ny fahafatesana, sy i Adonia (na Adoniasa) izay nikononkonona fikomiana tao an-dapa mba haka ny fitondrana. Tsy nahomby i Adonia ka i Solomona (na Salômôna) zanaka lahin'i Davida faharoa tamin'i Batseba no nataon'i Davida mpandova ny fanjakany, araka ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 1.11-40).

Misaona ny fahafatesan'i Absaloma i Davida, sary nataon'i Gustave Doré, 1866.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan'i Israely[hanova | hanova ny fango]

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salômôna) - Jeroboama I -Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Omry - Ahaba (na Akaba) -Ahazia (na Okoziasa) - Jorama - Jeho - Joahaza (na Joakaza) - Joasy (na Joasa) - Jeroboama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hosea(na Osea).

Mpanjakan'i Jodà[hanova | hanova ny fango]

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salômôna) - Rehoboama (na Roboama) - Abiama (na Abia) - Asa - Josafata - Jehorama (na Jorama) - Ahazia (na Okoziasa) - Atalia - Joasy (na Joasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jotama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amona - Josia (na Josiasa) - Joahaza (na Joakaza) -Joiakima (na Joakima) - Joiakina (na Joasina na Jekonia na Jekoniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.