Hitita (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Empira Hitita tamin' ny taona 1350–1300 tal. J.K.

Ny Hitita na Heteana na Hetita dia vahoaka nonina tao Anatôlia tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Ny anaran' ny faritra nanorenan' izy ireo izay fanjakany no niavian' ny anaran' ity vahoaka ity, dia i Haty (Hatti) izay niorina tao Anatôlia afovoany manodidina ny renivohiny, dia i Hatosàna (Hattusan). Nanomboka tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-17 tal. J.K. dia nanangana ny fanjakana isan' ireo matanjaka indrindra tao Atsinanana Afovoany ny mpanjakan' i Haty (ao amin' ny tapany avaratry ny Tany Atsinanana sy i Mesôpôtamia Ambony), izay nanjaka tamin' i Anatôlia hatramin' ny manodidina ny taona 1200 tal.J.K. Tamin' ny taonjato faha-14 tal J.K. dia afaka nanapaka ny ampahany be tamin' i Siria ny Hitita, ka nahatonga azy hifanandrina amin' ireo fanjakana matanjaka hafa ao Atsinanana Afovoany izany, toa an' i Egipta sy i Mitany ary i Asiria.

Ny tantara sy ny sivilizasionan' ny Hitita dia naverin' ireo mpikaroka naseho nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 vokatr' ireo fisavana ny toeram-panorenana milevina tao Anatôlia, ka isan' izany i Boğazköy izay ahitana ny sisam-paharavàn' i Hatosa; hita tao ny tanimanga fanoratana anarivony maro misy soratra miendri-pantsika ahitana ny endrika isankarazan' ny fiainana ara-pôlitika sy ara-pivavahana ary ara-toekaren' ny Fanjakana hitita. ireo loharanon-tahirin-kevitra ireo dia nofenoin' ny fisavana ny toeram-panorenana milevina sy ny vavao entin' ny fahafantarana ny amin' ireo fanjakana hafa nifampikasoka tamin' ny Hitita toa an' i Egipta sy i Asiria, i Ogarita (Ugarit) ary i Emara (Emar).

Fiteny hitita[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny hitita na fiteny heteana dia fiteny indô-eorôpeana izay notenenin' ny Hitita na Heteana tamin' ny Andron' ny Alimo tao Anatôlia. Efa maty efa ela ny fiteny hitita ka ny soratra miendri-pantsika tavela no ahafantarana azy, izay voasoratra tany amin' ny taonjato faha-16 hatramin' ny taonjato faha-13 tal. J.K. Ny fiteny hitita no fiteny fantatra indrindra amin' ireo fiteny anatôliana izay isan' ny fiteny indô-eorôpeana. Tamin' ny tapany farany amin' ny Andron' ny Alimo dia nanomboka nanome toerana ny fiteny loviana na fiteny lovita izay mifanakaiky aminy ny fiteny hitita.