Mitany

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny Atsinanana Akaiky manodidina ny taona 1400 tal. J.K. mampiseho ny fanjakan' i Mitany nahatratra ny fara tampon' ny fivelarany.

I Mitany na Mittani dia fanjakana tany amin' ny tapany avaratra amin' ny farira Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha, izay tao amin' ny tapany avaratra-atsinanan’ i Siria ankehitriny no foibeny, ao amin’ ny Telozoron' i Khabour, teo anelanelan’ ny taonjato faha-17 sy faha-13 tal. J.K. Ny Horita na Horiana no tena nipetraka tao, izay vahoaka nahazo ny anarany ankehitriny avy amin' ny faritra antsoina hoe Hory (Hurri), izay toa nahafaoka ny ampahany be amin' i Mesôpôtamia Ambony. Ny manam-pahaizana sy ny tarana-mpanjakany, na dia Horita aza, dia nitahiry ireo endrika indô-ariana tranainy antitra dia antitra. Ny anaran' ilay fanjakana angamba dia avy amin' ny anaran' ny olona iray atao hoe Maitta. Nantsoin' ny mpifanolobodirindrina aminy amin' ny fomba samihafa izy io: i Naharina ho an' ny Egiptiana, i Hanigalbat na Subartu amin' ny toe-javatra sasany ho an' ny Asiriana, .

Rehefa tonga tamin' ny fara tampon' ny lazany sy ny tanjany i Mitany (Mittani) dia nifehy faritra midadasika manomboka amin' ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin' ny faritry ny tangoron-tendrombohitra Zagros, izay nanjaka tamin' ny tany fanjakà-mpanjaka manankarena maro, indrindra fa tany Siria (Alepo, Ogarita, Karkemisy, Katna, sns.). Nifaninana tamin’ ny firenena matanjaka hafa tany Atsinanana Afovoany tamin’ izany fotoana izany izy, dia ny Egiptiana sy ny Hitita (na Hetita), talohan' ny fifandonana tamin’ ny Hitita ny tamin' ny Asiriana izay nahatonga ny fianjerany. Ny fandaminana ity fanjakana ity anefa dia mbola tsy dia fantatra loatra, satria vitsy ny loharanom-pahalalana avy amin' ireo toerana manan-tantara nanjakany no fantatra. Tsy fantatra mazava ny toerana nisy ireo renivohiny, i Washshukanni sy i Taidu. Noho izany dia loharanom-pahalalàna avy ivelany no tena manamarina azy io, ary tsy feno ny fanamboarana ny tantarany dia misy fahabangana, na dia nandroso aza izany vao haingana noho ny fikarohana arkeôlôjika vaovao.