Karkemisy

Avy amin'i Wikipedia
Ireo fanjakana hitita tamin' ny taona 1321 tal. J.K. –717 tal. J.K., ahitana koa ny Fanjakan' i Karkemisy

I Karkemisy dia renivohitra fahiny tany amin' ny tapany avaratra amin' ny faritr' i Siria. Nahaleo tena ity tanàna ity indraindray nandritra ny tantarany, nefa anisan' ny fanjakana Fanjakan' i Mitany sy ny Fanjakana Hitita ary ny Empira Neô-Asiriana koa izy io. Ankehitriny dia eo amin' ny sisin-tanin' i Torkia sy i Siria izy. Ankehitriny dia atao hoe Karkamış izy amin' ny teny tiorka. Amin' ny literatiora eorôpeana izy dia atao hoe Carchemish na Karkemish

Toerana nisy ady lehibe iray, tokony ho tamin' ny taona 605 tal. J.K, teo amin' ny Babilôniana sy ny Ejipsiana, voalaza ao amin' ny Baiboly (Jer. 46:2). Tanàna mifanolo-bodirindrina amin' ny toerana nisy azy dia i Karkamış any Torkia sy i Jarabulus (izay atao hoe koa Djerablus, Jerablus, Jarablos, Jarâblos) any Siria.