Saoly

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Saoly
Sary:Saul and David by Rembrandt Mauritshuis 621.jpg, Saul Rejected as King (Bible Card).jpg
Ankapobeny
Anarana Saoly
Teraka 1079 tal. J.K.
Maty 1010 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Saoly na Saola dia mpanjakan' i Israely teraka tamin' ny taona 1079 tal.J.K. ary maty tamin' ny taona 1010 tal. J.K. Araka ny Testamenta Taloha dia mpajakan' i Israely voalohany i Saoly teo anelanelan' ny taona 1020 sy 1000 tal. J.K. Ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 8-15) ny tantarany. I Kisy avy ao amin' ny fokon' i Benjamina ny rain' i Saoly. Ny vadiny dia i Ahinôama. Ny zanany dia i Jônatana sy i Mikala sy i Isbôseta ary i Abinadaba.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

I Davida sy i Saoly

Tamin' i Saoly na Saola nitady ny ondriny very no nifanena tamin' ny mpaminany Samoela. Ny mpaminany Samoela no nanosotra azy ho mpanjaka raha natao ny antsapaka (1Sam. 9-10). Iray volana taorian' izany dia nanafika ny Israelita tao Jabesa tao amin' ny tanin' i Gileada (na Galaada) ny Amônita. Nanagona ny fokon' i Israely i Saoly mba hanavotany ireo Israelita ireo ka nandreseny ny Amônita. Tamin' izay no nanambaràna azy ho mpanjakan' ny Israelita (1Sam. 11.15).

Nanao fanafihana mitohy an' ireo fahavalon' ny Israelita i Saoly, indrindra an' ireo Filistina. Mpiady mahay i Saoly ka maro ny fandresena azony, isan' izany ny tao Mikmasy (1Sam. 13.16-23; 14.1-23). Tsy nanaraka ny didin' Andriamanitra izay nitaky ny hamonoana ny Amalekita (na Amalesita) sy ny fananany anefa i Saoly ka tsy nanatanteraka izany famonoana ny biby fiompy matavy. Nahatezitra an' Andriamanitra izany (1Sam. 15.1-10). Nanalavitra an' i Saoly ny mpaminany Samoela ka nanosotra an' i Davida ho mpanjaka, izay mbola tanora dia tanora sady mpiandry ondry tao Betlehema.

Lasa nalaza i Davida rehefa avy nandresy an' ilay Filistina goavambe tao hoe Gôliata, ka velom-pialonana tsy nitsaha-nitombo noho izany i Saoly. Hitan' i Saoly fa hisakana ny fandovan' ny lahimatoany atao hoe Jônatana ny fanjakana izany lazan' i Davida izany ka nikendry matetika ny hahafaty an' i Davida izy. Nampanambadiny ny zanany vavy i Davida nefa ho takalon' izany dia tsy maintsy niady tamin' ny Filistina zato i Davida (1Sam. 18.20-27). Nandresy i Davida ka lasa vinantolahin' i Saoly nefa nikendry ny hahafaty azy ihany ny rafozany.

Ny nahafatesan'i Saoly sy Jonatana, sary nataon'i Francesco Salviati, taonjato faha-16.

Tamin' ny fiafaran' ny fiainan' i Saoly dia niady tamin' ny Filistina teo amin' ny tendrombohitra Gelbôa (na Gelbôe) izy. Tamin' izany ady izany no nahafaty an' i Saoly sy ny zanany telo lahy. Nanaiky ny maha mpanjaka ny zanak' i Saoly fahefatra, dia i Isbaala (na Isbôseta) aloha ny ankamaroan' ny fokon' i Israely mandritra ny fotoana fohy, avy eo nanao an' i Davida ho mpanjakan' i Israely, araka ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam. 2-4).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.