Israelita

Avy amin'i Wikipedia
Nitolona tamin'Anjely i Jakoba, nataon'i Alexandre-Louis Leloir

Ny Israelita na Isiraelita dia vahoaka tany Atsinana Afovoany izay nonina tamin'ny ampahan'ny tany Kanaana nandritra ny vanim-potoan'ny faha foko sy faha mpanjaka[1]. Ao amin'ny Torah sy ny Kor'any ary ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly dia manondro ny taranak'ireo zanaka lahin'i Jakoba, izay lohan'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely, ny teny hoe Israelita[2].

Ny teny hoe Israelita dia matetika afangaro amin'ny teny hoe Jody na Jiosy sy Hebreo. Nefa izany dia ataon'ny ankamaroan'ny rakibolana ho efa lany andro[3]. Ao amin'ny Torah dia iantsoana ireo mponina tao amin'ny Fanjakan'i Joda ny hoe Yehudi (Jody na Jiosy). Torak'izany koa, ireo Samaritana dia mihevitra ny tenany ho Israelita tany amin'ny Fanjakan'i Israely ao avaratra (izay atao hoe Fanjakan'i Samaria), ka ny mifanohitra aminy dia ireo Israelita jiosy ao amin'ny Fanjakan'i Joda. Ny teny hoe Hebreo indray dia ilazana ireo taranaky fokon'i Hebera, izay nitaranaka ny Israelita.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Finkelstein, Israel, and Nadav Naʼaman, eds. From nomadism to monarchy: archaeological and historical aspects of early Israel.
  2. (en) Robert L.Cate, Israelite
  3. « Juif ou israélite ? Halte à la polémique » [tahiry]