Torah

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Horonan-tsoratry ny Torah

Ny Torah (תּוֹרָה), izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly amin'ny teny hebreo (Tanakh). Izy no fizaràna voalohany ao amin'ny Tanakh, eo alohan'ny Nevi'im sy ny Ketuvim. Atao hoe "Boky dimin'i Mosesy (na Moizy)" izy ireo. Ao amin'ny Baiboly kristiana dia ireto ireo boky ireo: ny Genesisy (na Jenezy) sy ny Eksodosy (na Esaody) sy ny Levitikosy (na Levitika) sy ny Nomery (na Fanisana) ary ny Deoteronomia (na Deoteronomy). Ny fitambaran’ireo no tondroina amin’ny hoe Pentateoka na Boky dimin’i Mosesy ao amin’ireo asa soratra kristiana.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe תּוֹרָה / Torah dia teny hebreo izay midika hoe "lalàna", "toromarika" na "fampianarana".

Ireo boky ao amin'ny Torah[hanova | hanova ny fango]

Tsy ireo voatanisa ireo anefa ny anaran’ny boky ao amin’ny Baiboly hebreo. Ireto avy ny anaran’ireo boky ireo:

  • ספר בראשית / Sefer Bereshit ("Tamin'ny voalohany"): Genesisy na Jenezy
  • ספר שְׁמוֹת / Sefer Shemot ("ireo anarana"): Eksodosy na Eksaody
  • ספר ויקרא / Sefer Vayikra ("ary niantso Izy"): Levitika na Levitikosy
  • ספר במדבר / Sefer Bemidbar ("tany an-tany efitra"): Nomery
  • ספר דְּבָרִים / Sefer Devarim ("ireo teny"): Deoterônômy na Deoteronomia

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Fizaràna sy fivoasana ny Baiboly hebreo:

Fanasokajiana hafa