Artakserksesy I

Avy amin'i Wikipedia
Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy I ao amin'ny fasany any Naqsh-e Rostam, any Iràna.

I Artakserksesy I dia mpajaka lehibe persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka akemenida, izay nanjaka tamin' ny taona 465 hatramin' ny 424 tal; J.K. I Manetôna dia mihevitra fa nanjaka 41 taona izy. I Kserksesy I no nodimbiasiny ary i Kserksesy II no nandimby azy. Atao hoe Ἀρταξέρξης, / Artaksérksês io anarana io amin' ny teny grika, izay avy amin' ny anarana amin' ny teny persiana tranainy hoe Artaxšacā. (amin' ny teny persana: اردشیر یکم / Ardeshir).

Taorian' ny famonoana an' i Kserksesy I rainy tamin' ny taona 465 tal. J.K. dia niakatra teo amin' ny fitondrana i Artakserksesy I. Nampamonoiny avy hatrany ireo rahalahiny sady nofaiziny ireo mpikomy. Noraisiny tao an-dapany i Temistôka avy any Atenay, izay noroahina hiala an' i Persia tamin' ny taona 471 tal. J.K. ka nampiandraiketiny tanàna maro any Azia Minora.

Taorian' ny fikomiana nokononkononin' i Inarôsy niaraka tamin' ny Ateniana tamin' ny taona 456 - 454 tal. J.K. dia azon' i Artakserksesy I i Egipta. Izany fandresana izany no niteraka ny fandriampahaleman' i Kaliasy, izay takalon' ny tsy fitsabahany ao Kiprôsy sy any Egipta, ka nahazo antoka ny amin' ny filaminany sy ny fiarovana ny andian-tsambony ao amin' ny Ranomasina Egea i Atenay.

Artakserksesy ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) sy ny Bokin' i Nehemia ao amin' ny Baiboly dia miresaka ny amin' ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan' i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin' ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i Artakserksesy I izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i Artakserksesy II no izy.

Ao amin' ny Bokin' i Ezra dia nanome alalana an' i Ezra hody any Jerosalema avy any Babilôna nahababoana i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin' ny vahoaka jiosy. Nandao an' i Babilona i Ezra tamin' ny fahafito taonan' ny nanjakan' i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana mpisorona sy Levita nankany Jerosalema. Araka ny Bokin' i Nehemia dia nahazo alalana tamin' ny mpanjaka Artakserksesy koa i Nehemia hody any Jerosalema.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.