Fiteny persana taloha
Apparence
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/94/Behistun_DB1_1-15.jpg/373px-Behistun_DB1_1-15.jpg)
Ny fiteny persana taloha dia endrika tranainy indrindran' ny fiteny persana. Isan' ireo fiteny iraniana izy ka zana-bondron' ireo fiteny indô-iraniana sy ny ireo fiteny indô-eorôpeana. Hita ao amin' ireo sora-tsokitra tamin' ny andron' ireo mpanjaka akemenida ny fiteny persana taloha. Ny fiteny persana amin' izao fotoana izao dia tsy avy mivantana amin' ny fiteny persana taloha. Io no fitenim-paritra notenenin' ny olona tao Persepoly izay nasandratry ny mpanjaka Dariosy I ho fiteny filamatra.