Artakserksesy II

Avy amin'i Wikipedia
Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy II ao amin'ny fasany ao Persepolisy.

I Artakserksesy II dia mpajaka persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka akemenida, izay najaka tamin' ny taona 404 hatramin' ny taona 358 tal. J.K. Teraka tamin' ny taona 436 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 359 tal. J.K. izy. Izy no nanjaka maharitra indrindra tamin' ireo Akemenida. Lasa mpanjakan' i Egipta izy tamin' ny taona 404 hatramin' ny 402 tal. J.K. talohan' ny fikomian'ny Egiptiana. I Dariosy II rainy no teo alohany ary i Artakserksesy III no nandimby azy.

Atao hoe Ἀρταξέρξης, / Artaksérksês io anarana io amin' ny teny grika, izay avy amin' ny anarana amin' ny teny persiana tranainy hoe Artaxšacā (amin' ny teny persana: اردشیر یکم / Ardeshir).

Raha vao nanomboka nitondra izy dia niady handrombaka ny fitondrana ny rahalahiny atao hoe Kirôsy Zandriny izay nanangan-tafika mpikarama an' ady spartiata hiady amin' i Artakserksesy II. Resin' ny mpanjaka izy ka novonoiny tamin' ny ady tao Konaksa (grika: Κούναξα / Kounaxa) tamin' ny Marsa 401 tal. J.K.

Fahavalon' ny Sparta ny mpanjaka Artakserksesy II ka noho izany dia niatrika ady tamin' ny tanàna tao Sparta imbetsaka: niady tamin' i Agesilaôsy II (grika: Ἀγησίλαος / Agêsilaos) izy tao Azia Minora teo anelanelan' ny taona 400 sy 395 tal. J.K., avy eo nanohana ny fikambanan' ireo tanàna grika hiady amin' i Sparta tamin' ny ady kôrintiana tamin' ny taona 395 tal. J.K. hatramin' ny taona 386 tal. J.K. Na dia izany aza dia nihevitra i Artakserksesy II fa ny fifandanjan-kery nisy teo amin' i Atena sy i Sparta dia nety ho an' i Persia izay nametraka ny "fahaleman' i Antalkidasy" tamin' ireo tanàna grika tamin' ny taona 386 tal. J.K.

I Artakserksesy II dia nanao izay hamaboany an' i Egipta izay tafala tamin' ny fanapahan' ny Persiana hatramin' ny fikomiana tamin' ny taona 405 tal. J.K. Indroa tsy nahomby izy tamin' ny taona 385-383 tal. J.K. sy tamin' ny taona 374 tal. J.K. Tamin' ny faramparan' ny fitondrany dia namono ny fikomian' ny solontenam-panjakana (satrapa) tany Azia Minora izy.

Rehefa mety i Artakserksesy II dia ny zanany Artakserksesy III no nandimby azy teo amin' ny fanapahana ny Empira persiana.

Artakserksesy ao amin'ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) sy ny Bokin' i Nehemia ao amin' ny Baiboly dia miresaka ny amin' ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan' i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin' ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i Artakserksesy I izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i Artakserksesy II no izy.

Ao amin' ny Bokin' i Ezra dia nanome alalana an' i Ezra hody any Jerosalema avy any Babilôna nahababoana i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin' ny vahoaka jiosy. Nandao an' i Babilôna i Ezra tamin' ny fahafito taonan' ny nanjakan' i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana mpisorona sy Levita nankany Jerosalema. Araka ny Bokin' i Nehemia dia nahazo alalana tamin' ny mpanjaka Artakserksesy koa i Nehemia hody any Jerosalema.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.