Ariaramnesy

Avy amin'i Wikipedia

I Ariaramnesy dia mpanjaka iraniana, isan' ny Akemenida, izay rahalahin' i Kirôsy I sy zanak' i Teispesy. Mety razamben' i Dariôsy I koa izy araka ny sora-tsokitr' i Behistona sasy nanapaka tamin' ny tanin' i Parsômasa nandritra ny fanapahan' ny rahalahiny Kirôsy I tao Ansàna.

Avy amin' ny teny grika hoe Ἀριαράμνης. / Ariaramnês io anarana nogasina io, izay atao hoe آریارمن. amin' ny teny persana. Atao hoe Ariyāramna izy amin' ny teny persana taloha, izay midika hoe "izay mitondra fandriampahalemana ho an' ny Ariana" (ny Ariana dia ny Iraniana).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.