Ariàna (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny Ariàna na Aria dia ireo Indô-iraniana. Midika hoe "andriana" io teny io ary nampiasain'ireo Indiana nandrotra ny vanimpotoana vedika tao India hanondroany ny tenany sy hanondroany ny sarangan'ny andriana sy ny faritra fantatra amin'ny anarana hoe Āryāvarta, izay nahitana ny fototry ny kolontsaina indô-ariana. Ny vahoaka iraniana izay manana fifandraisana hentitra amin'izy ireo dia nampiasa io teny io mba hanondroany ny tenany ao amin'ny boky Avesta, ary io teny io no nipoiran'ny anaran'ny firenana atao hoe Iràna.