Pôlineziana

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-dehilahy pôlineziana (Maôry) nataon' i Gottfried Lindauer.

Ny Pôlineziana dia vondrom-poko monina any Pôlinezia. Anisan' ny taranaky ny Aostrôneziana izy ireo. Miisa any amin' ny 2 tapitrisa any ho any ny Pôlineziana maneran-tany tamin' ny taona 2012.

I Pôlinezia[hanova | hanova ny fango]

Sarin-tany maneho ireo nosy mamorona an' i Pôlinezia

I Pôlinezia dia faritra ao atsinanan' i Ôseania izay ahitana nosy maro dia maro. Ny nosy sy ny tamba-nosy mamaritra ny sisiny dia ny tambanosin' i Hawaii ary avaratra, ny Nosin' ny Paska any atsinana ary Zelanda Vaovao any andrefana. Misy firenena manana ny fiandrianam-pireneny miisa fito ny ao Pôlinezia, dia ny nosy Cook, i Zelanda Vaovao, i Kiribaty, i Nioe, i Samôa, i Tônga, ary i Tovalo. Misy faritra miankina telo ambin' ny folo koa ny ao, dia i Haoay, Samôa amerikana, i Johnston, i Baker, i Howland, i Jarvis, i Palmyra (izay samy miankina amin' i Etazonia); i Pôlinezia frantsay, i Wallis-et-Futuna (izay samy miankina amin' i Frantsa); ny nosy Chatham, i Tokelau (izay samy miankina amin' i Zelanda Vaovao); ireo nosy Pitcairn (izay samy miankina amin' ny Fanjakana Mitambatra); ary ny Nosin' ny Paska (izay miankina amin' i Sily).

Mponina maneran-tany[hanova | hanova ny fango]

Miisa any amin' ny 2 tapitrisa any ho any ny Pôlineziana tamin' ny taona 2012, izay mitsinjara toy izao:

Fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Fivavahan-drazana[hanova | hanova ny fango]

Ny fivavahana narahin' ny ankamaroan' ny Pôlineziana talohan' ny fahatongavan' ny mpanjana-tany dia fedrà pôlineziana. Niampita am-bava izany fedrà izany. Ny toeram-pivavahana dia atao hoe marae.

Kristianisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fiavian' ny Eorôpeana sy ny kristianisma dia nihena ny fanarahana ny fivavahan-drazana pôlineziana. Maro ireo trano fiangonana naorin' ny misiônera avy any Eorôpa manerana ireo nosin' i Pôlinezia. Tamin' ireo taona 2000 dia dia Kristiana ny 96 %n' ny Pôlineziana.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Fiteny pôlineziana[hanova | hanova ny fango]

Miteny amin' ny fiteny pôlineziana, izay ao amin' ny vondrom-piteny ôseanianan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, ny Pôlineziana. Miisa 38 ireo fiteny ireo. Ny fito amin' ireo dia tenenina ao Pôlinezia Frantsay, dia ny fiteny tahisiana, ny fiteny aostraly, ny fiteny ra'ivavae, ny fiteny mangareviana, ny fiteny pa'omôto, ary ny fiteny markiziana. Miisa 1 000 any ho any ny mpiteny haoaiana. Ny fiteny maôry dia isan' ireo fiteny ôfisialy ao any Zelandy Vaovao. Anisan' ny fiteny pôlineziana koa ny fiteny palisiana sy ny fteny tôngiana ary ny fiteny rapanoy.

Fiteny eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Nisandratra noho ny nisian' ny fanjanahan-tany fiteny eorôpeana toy ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy.