Kaokazôida
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Kaokazoida)
Ny Kaokazôida na Kaokaziana na Eorôpôida, amin' ny antrôpôlôjia, dia vondron' olona izay mahafaoka ny vahoaka ao Eorôpa, ao Atsinanana Afovoany, ao Afrika Avaratra, ao amin' ny Tandrok' i Afrika, ao amin' ny tapany atsimon' i Azia Afovoany, ary ao avaratr' i Azia Atsimo, izay manana volon-koditra zarazara mankany amin' ny fotsy ao amin' ireo faritra ireo. Maro ny manam-pahaizana manohitra ny fampiasana ity teny hoe kaokaziana na kaokazôida ity. Noheverina ho ambony razana noho ny Negrôida sy ny Môngôlôida ny Kaokazôida. Hatry ny ela dia nozaraina ho zana-bondrona telo ny Kaokaziana noho ny antony ara-piteny:
- ny Ariàna: ireo vahoaka miteny indô-eorôpeana;
- ny Semita na Semitika: ireo vahoaka miteny semitika;
- ny Hamita: ireo vahoaka miteny berbera sy miteny kositika, ary ireo vahoaka miteny karazan' ny fiteny egiptiana taloha.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ara-bolonkoditra ny olombelona
Hafa