Ariana (firazanana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ariana dia foto-pisainana ara-tantara momba ny firazanana efa lany andro, izay nipoitra tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 mba hamaritana ny vahoaka avy amin' ny Prôtô-Indô-Eorôpeana izay noheverina ho vondrona ara-pirazanana. Avy amin' ny fampiasana ara-tantara ny teny hoe "Ariana" Io voambolana io, izay ampiasain' ny Indô-Iraniana môderina ho enti-milaza ny "andriana". Tsy manohana ny maha-marina an' io hevitra io anefa ny porofo araka antrôpôlôjia sy ara-tantara ary araka arkeôlôjia.

Io teny io sy ny heviny dia avy amin' ny fiheverana fa razambe miavaka niavian' ny santionany ambony karazana indrindra amin' ny olombelona ny mpiteny prôtô-indô-eorôpeana tany am-boalohany, ​​ary ny taranany mandraka ankehitriny dia mahaforona firazanana miavaka na zana-pirazanana ao amin' ny firazanana kaokaziana, miaraka amin' ny firazanana semitika sy ny hamitika. Heverina ho diso lalana sy tsy misy dikany ara-biôlôjia io fomba fanasokajiana ny olombelona io amin' izao fotoana izao noho ny fifanahafana akaiky ara-pototarazo sy ny fifandraisana saro-drafitra misy eo amin' ireo vondrona ireo.

Noraisin' ny mpanoratra mpanavakava-bolon-koditra sy antisemita (mankahala Jiosy) isan-karazany io teny io nandritra ny taonjato faha-19, anisan' izany i Arthur de Gobineau sy i Richard Wagner ary i Houston Stewart Chamberlain, ka nisy vokany tamin' ny fanavakavaham-bolon-koditra "siantifika" nataon' ny Nazi taty aoriana.

Tamin' ny taompolo 1930 dia nifandray amin' ny nazisma sy ny nôrdisisma io teny io miaraka amin' ny heviny, ary nampiasaina hanohanana ny ideôlôjia sopremasista fotsy hoditry ny arianisma izay nampiseho ny firazanana ariana ho "firazanana ambony", ka ny tsy Ariana amin' izany dia noheverina ho ambany ara-pirazanana (Untermensch, ara-bakiteny. "olombelona ambany") sady norahonana ho tokony haringana. Tany Alemaina teo ambany fitondran' ny Nazi dia niteraka ny ampahany manan-danja indrindra amin' ny foto-kevitry ny fanjakana ireo hevitra ire, izay nitarika ny hôlôkaosta (fandringanana ny Jiosy eorôpeana tamin' ny Ady Lehbe faharoa).