Nosin' i Kiprôsy

Avy amin'i Wikipedia
Nosin' i Kiprôsy

Ilay Nosin' i Kiprôsy na Nosin' i Sipra na Nosin' i Kipra (Κύπρος amin' ny teny grika ; Kıbrıs amin' ny teny tiorka) dia nosy ao anatin' ny Mediteranea atsinanana, izy dia eo akaikin' ny Siria sy eo antsimo ny Anatôlia (any Torkia).

Mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeanina ilay silaka antsimon' ilay nosy. Misy mponina 1 300 000 no miaina ao. Ny Grika no tena betsaka indrindra ao anatin' i Kiprôsy iray mantolo, misy koa moa olona Britanika mipetraka ao anatin' ny tobim-pamaharana, ary ireo bazy miaramila ireo dia amban' ny fitondran' ny Nosy Britanika.

Ilay silaka avaratra dia efa nahazo fahaleovantena tamin' ny taona 1974. Tamin' io no nisy Kiprôsy anankiroa, ary voasaraka izy ireo amin' ilay "tsipika Attila".

  • Misy ny Repoblika Kipriôta dia ilay repoblika tena fantatrin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manana fipetrahan' ny UN izy ary mpikambanan' ny Vondrona Eorôpeanina. Tokony manjaka ao anatin' ilay nosy iray mantolo izy kanefa izy eo antsimo ihany no tena manana hasina

Jereo Koa/Amboary[hanova | hanova ny fango]