Aller au contenu

Azerbaijàna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Azerbaijana)
Azərbaycan Respublikası (Azerbaijani)
Repoblikan' i Azerbaijàna ((mg))
Sain' i Azerbaijàna Emblem of Azerbaijan
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy azerbaijaney (fitenim-panjakana)
Renivohitra Bakı
40°06′N 47°19′E
Tanàna lehibe indrindra Bakı
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha

 - Praiminisirtra
Repoblika
Ilham Aliyev (İlham Əliyev)
Ali Asadov (Əli Əsədov)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 112
86 600 km²
2020
Isam-ponina
 - Tontaliny (2019)
 - hakitroka
faha 88
10 073 200 mpo.
115 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Azerbaijaney
Sandam-bola Manat (AZN)
Faritr'ora UTC
Hiram-pirenena '
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+++994

I Azerbaijàna dia firenena ao Azia Andrefana, ao amin’ ny faritr’ i Transkaokazia izay manana morontsoraka ao amin' ny Ranomasina Kaspiana. Manana velaran-tany mirefy izy. Ny renivohiny dia i Baku izy sady tanàna lehibe indrindra ao koa. Mirefy 86 600 km² ny velarany ary miisa 10 205 810 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2020. Mamaritra azy avy ao avaratra i Rosia, avy ao atsimo i Iràna, avy ao atsimo-andrefana i Torkia, avy ao andrefana i Armenia, ary avy ao avaratra-andrefana i Jeôrjia. Ny tanin' i Azerbaijàna dia mahafaoka ny faritra mizaka tenan’ i Karabagh Ambony (ao amin' ny tapany andrefan' ilay firenena) sy ny Repoblika Mizakatenan' i Nakhitchevan (ao amin' ny tapany atsimo-andrefana, misaraka amin' ny sisa amin' i Azerbaijàna amin' ny alalan' ny ampahan-tany tery an' i Armenia). Ny ampahany be amin' i Azerbaijàna dia ny lemak' i Koura (izay ony lehibe indrindra ao amin' ny faritra transkaokaziana). Be tendrombohitra ny ilany avaratr' ilay firenena: manana haambo mirefy 4 466 m i Kaokazy Lehibe fa i Kaokazy Kely kosa 3 500 m. Maina ny toetany any Azerbaijàna.

Sarin-tanin' i Azerbaijàna

Ny mponina any Azerbaijàna, izay atao hoe Azerbaijaney dia ahitana indrindra ny Azery, izay vahoaka manam-piaviana tiorkika. Maro koa ny vahoaka vitsy an’ isa, ka anisan’ izany ny Armeniana izay hita indrindra ao Karabagh Ambony. Ny fivavahana silamo no fivavahana arahin' ny maro anisa ao amin' io firenana io, izay ahitana koa Kristiana vitsy. Ny fiteny azery no fiteny ôfisialy ao.

Misy solitany sy etona voajanahary ao amin' ny Ranomasina Kaspiana i Azerbaijàna. Miankina amin' ny fitrandrahana solitany ny toekareny. Na dia izany aza dia mbola anisan' ny firenena tena mahantra i Azerbaijàna. Maro ny orinasa tantanin' ny fanjakana.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Azerbaijàna izay nahazo ny fahaleovan-tenanay tamin' ny taona 1991. Mpikambana ao amin' ny Fianakaviamben' ny Firenena Mahaleo Tena (Communauté des États indépendants -- CEI) i Azerbaijàna. Nanomboka tamin' ny taona 1990 dia nisy ny ady teo amin' i Azerbaijàna sy i Armenia momba ny firafetan' ny faritr' i Karabagh Ambony amin' ny Repoblikan' i Armenia.  

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.