Aller au contenu

Tanànan' i Davida

Avy amin'i Wikipedia
Tanànan'i Davida

Ny Tanànan' i Davida dia anarana nomena toerana arkeôlôjika izay heverin' ny manam-pahaizana maro ho toerana niorenan' i Jerosalema voalohany tamin' ny Andron' ny Alimo sy ny Andron' ny Vy. Atao hoe עיר דוד /ʿĪr Davīd izy amin' ny teny hebreo fa وادي حلوة / Wadi Hilweh kosa amin' ny teny arabo. Eo amin' ny ilany atsimo amin' ny tampony atsinanana amin' i Jerosalema taloha, any andrefan' ny Lohasahan' i Kidrôna sy atsinanan' ny Lohasahan' i Tirôpeôna, eo atsimon' ny Tendrombohitry ny Tempoly, no misy azy.