Tanakh
Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).
Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]
Ny teny hoe Tanakh (תַּנַ"ךְ), Thanak na Tanak dia fanafohezana ny andian-teny hebreo hoe Tôrah (תּוֹרָה) sy Nevi'im (נְבִיאִים) ary Ketûvim (כְּתוּבִים). Ireo dia manondro ny fizaràna telo hita ao amin'ny Baiboly hebreo. Ny hoe Tôrah dia azo adika hoe "lalàna"; ny Nevi'im (na Nebi'im) dia azo adika hoe "mpaminany (maro)" ary ny hoe Ketûvim (na Ketûbim) dia azo adika hoe "soratra (maro)".
Firafitry ny Tanakh[hanova | hanova ny fango]
Mizara telo ny Tanakh, dia ny Tôrah ("lalàna") sy ny Nevi'im ("mpaminany") ary ny Ketuvim ("soratra"). Tsy mifanandrify tanteraka amin'ny fizaràn'ny Kristiana ny Testamenta Taloha izany. Misy boky 24 ny ao amin'ny Tanakh. Ny boky iray ao amin'ny Tanakh dia mety hisaraka roa na maro ao amin'ny Baiboly kristiana. Ao amin'ny Torah ihany izany no tsy mitranga. Ny anaran'ireo boky ao amin'ny Tanakh dia manomboka amin'ny teny hebreo hoe Sefer izay adika hoe "boky" na "horonana" ("horonam-boky").
Ny Torah[hanova | hanova ny fango]
Ny Torah (תּוֹרָה "Lalàna") dia ahitana boky dimy, ireo atao hoe Boky dimin'i Mosesy. Toy izao avy ny anaran'ireo boky ireo amin'ny teny hebreo ary ny fifanandrifian'ny anarana ao amin'ny Tôrah sy ny Pentateoka:
- Sefer Bereshit : Genesisy
- Sefer Shemot : Eksodosy
- Sefer Vayikra na Vayikra : Levitikosy
- Sefer Bemidbar : Nomery
- Sefer Devarim na Devarim : Deoteronomia
Ny Nevi'im[hanova | hanova ny fango]
Ny Nevi'im (נְבִיאִים "Mpaminany") dia mizara roa: ny Nevi'im rishonim (נביאים ראשונים "mpaminany taloha") sy ny Nevi'im aharonim (נביאים אחרונים "mpaminany farany" na "mpaminany taoriana"). Misy boky efatra ny ao aminan'ny Nevi'im rishonim ka ireto avy izy ireo:
- Sefer Yehoshua na Yehoshua : Josoa
- Sefer Shoftim na Shoftim : Mpitsara
- Sefer Shemuel : Samoela voalohany sy Samoela faharoa
- Sefer Melakhim na Melakhim : Mpanjaka voalohany sy Mpanjaka faharoa
Ny bokin'ny mpaminany sisa rehetra dia ao amin'ny vondron'ireo atao hoe Nevi'im aharonim; ireto avy izy ireo:
- Sefer Yeshayahu na Yeshayahu : Isaia
- Sefer Yirmeyahu (bokin'i Jeremià") na Yirmeyahu Jeremia
- Sefer Yehezkael ("bokin'i Ezekiela") na Yehezkael : Ezekiela
- Trei Assar (תרי עשר "Bokin'ny Mpaminany 12")
Ny bokin'ny mpaminany 12 voalaza etsy ambony sady atao hoe Trei Assar dia ireto avy:
- Sefer Hoshea : Hosea
- Sefer Yoel na Yoel : Joela
- Sefer Amos : Amosa
- Sefer Ovadiyah na Ovadiyah : Obadia
- Sefer Yohnah na Yohnah : Jona
- Sefer Mikhah na Mikhah : Mika
- Sefer Nakhum na Nakhm : Nahoma
- Sefer Khaggai na Khaggai : Hagay
- Sefer Zekhariyah na Zekhariyah : Zakaria
- Sefer Malakhi na Malakhi : Malakia
Ny Ketuvim[hanova | hanova ny fango]
Ny Ketûvim (כְּתוּבִים "Soratra") dia misy boky 11. Ireto avy izany:
- Sefer Tehillim na Tehillim : Salamo
- Sefer Mishlei na Mishlei : Ohabolana
- Sefer Iyyov na Iyyov : Joba
- Sefer Shir haShirim na Shir haShirim : Tononkiran'i Solomona
- Sefer Ruth : Rota
- Sefer Eikha na Eikha : Fitomaniana
- Sefer Qohelet na Qohelet : Mpitoriteny
- Sefer Esther ("bokin'i Estera") na Esther : Estera
- Sefer Daniel (bokin'i Daniela") na Daniel : Daniela
- Sefer Ezra wu Nekhem'ya na Ezra wu Nekhem'ya : Ezra sy Nehemia
- Sefer Divrei haYamim ("Bokin'ny Tantara") na Divrei haYamim : Tantara voalohany sy faharoa
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- Raha hamaky ny Tanakh amin'ny teny hebreo: tsindrio eto (http://www.tanach.us/Tanach.xml#Home)