Bokin'ny Levitikosy

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Testamenta Taloha

Ny Bokin'ny Levitikosy na Bokin'ny Levitika izay hafohezina amin'ny hoe Levitikosy na Levitika dia boky fahatelo ao amin'ny Baiboly, hita ao amin'ny Testamenta Taloha, miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoampivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i Levy. Boky mitambatra ao amin'ny Pentateoka ny Levitikosy, isan'ireo atao hoe bokim-pisoronana na bokin'ny mpisorona.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Levitikosy dia fanagasiana ny teny grika hoe Λευιτικός / Leuitikós. Ny hoe Levitika kosa dia avy amin'ny teny frantsay hoe Levitique izay avy amin'ny teny latina hoe Leviticus. Io indray dia avy amin'ny teny grika etsy ambony izay midika hoe "momba ny Levita", "momba ny asan'ny Levita". Ao amin'ny Tanakh anefa izy dia atao hoe Vayikra izay azo adika hoe "Ary niantso izy", izany hoe Adriamanitra niantso.

Firafitry ny boky[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina telo ny bokin'ny Levitikosy araka ny karazan-dalàna andidiany.

Ny amin'ny fanaovana sorona sy fanatitra[hanova | hanova ny fango]

Ny fizaràna voalohany (Lev. 1-7) dia miresaka momba ireo karazana fanatitra : ny fanatitra dorana, ny fanatitry ny vokatry ny tany, ny fanati-pankasitrahana, ary ny fanatitra noho ny ota.

Ny fanokanana mpisorona[hanova | hanova ny fango]

Ity fizaràna ity (Lev. 8-10) dia mitantara ny nanokanana an'i Arona sy ireo zanany amin'ny asam-pisoronana, miresaka ny amin'ny fisoronana voalohany nataony, ny nanasaziana an'i Nadaba sy Abiho tamin'ny nanaovany fanatitra tsy ara-dalàna, ary miresaka antsipiriany maro momba ny mpisorona.

Ny lalànan'ny fahadiovana[hanova | hanova ny fango]

Ny fizaràna fahatelo (Lev. 10-16) dia miresaka momba ny fahadiovan'ny sakafo, ny fahadiovan'ny vehivavy, ny habokana sy ny aretina hafa mitovitovy aminy, ary ny andro fanadiovana lehibe.

Ny lalànan'ny fahamasinana[hanova | hanova ny fango]

Ity fizaràna ity (Lev. 17-18) dia momba ny lalàna mifehy ny vahoaka, ny lalàna mikasika ny mpisorona ary ny amin'ireo andro firavoravoana.

Ireo toromarika sy lalàna isankarazany[hanova | hanova ny fango]

Ny fizaràna farany (Lev. 17-23) dia miresaka ny amin'ny lalàna isan-karazany mifehy ny fanadiovana, ary ny momba ny fahotana amin'ny fanoherana ny Lalàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]