Ketuvim

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ketuvim na Ketubim ("soratra") dia fitambaran' ny boky iraika ambin' ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin' ny Baiboly hebreo (na Tanakh). Tsy afangaro amin' ny lazain' ny Kristiana hoe "bokin' ny olon-kendry" na "bokim-pahendrena" ny Ketuvim (midika hoe "Soratra") ao amin' ny Baiboly hebreo.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe כְּתוּבִים / ketuvim na ketubim dia teny hebreo amin' ny endriny milaza maro, izay midika hoe "soratra".

Ny fanasokajiana ireo boky ao amin’ny Ketuvim[hanova | hanova ny fango]

Misy sokajy telo ny boky ao amin' ny Ketuvim, dia ireo ao amin' ny hoe סִפְרֵי אֶמֶת / Sifrei Emet sy ny hoe חמש מגילות / Hamesh Megilot ary ireo boky sisa.

Ny Sifrei Emet na Bokim-Pahamarinana[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe סִפְרֵי / sifrei dia midika hoe "horonam-boky". Ny hoe Emet dia fanafohezana ny fifanarakarahan' ny anaran' ny boky telo mitambatra ao aminy, nefa afaka midika hoe "fahamarinana". Telo ny boky ao amin' ny סִפְרֵי אֶמֶת / Sifrei Emet, dia ireto avy:

Ny Hamesh Megilot na Horonana Dimy[hanova | hanova ny fango]

Misy dimy ny boky atao hoe Hamesh Megilot, izay midika hoe "horonam-boky dimy", dia ireto avy:

Ny boky sisa[hanova | hanova ny fango]

Tsy misy anarana manokana hanasokajiana azy ny boky sisa ao amin' ny Ketuvim izay miisa telo, dia ireto avy:

Marihina fa mitambatra ho boky iray ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia izay misaraka ao amin' ny Baiboly kristiana, toraka izany koa ny Bokin' ny Tantara roa (1Tantara sy 2Tantara).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]