Nevi'im

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Nevi'im na Nebi'im ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ny Baiboly hebreo (atao hoe Tanakh) manomboka eo amin’ny Bokin’i Josoa ka miafara amin’ny Bokin’i Malakia. Ny fizaràna atao hoe Torah no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe Ketuvim koasa no ao aoriany.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe nevi’im dia teny hebreo (נְבִיאִים‬ / Nəḇî'îm) izay midika hoe “mpaminany (maro)”. Ny endrika milaza tokan’io teny io dia nabî (“mpaminany (tokana)”). Araka ny lovantsofina dia mpaminany no nanoratra an’ireo boky isan’ny atao hoe Nebi’im ireo.

Fizaràn’ny Nevi’im[hanova | hanova ny fango]

Mizara roa indray ny Nevi’im dia ny Nevi'im rishonim (נביאים ראשונים / "mpaminany taloha") sy ny Nevi'im aharonim (נביאים אחרונים / "mpaminany farany" na "mpaminany taoriana"). Ny “mpaminany taloha” dia ilazàna ireo boky nosoratana talohan’ny Fahababoan’ny Zanak’i Israely tany Babilona fa ny “mpaminany taoriana” kosa dia enti-manondro ireo boky voasoratra taorian’izany fahababoana izany. Ny Bokin’i Daniela dia tsy voasokajy ao amin’ny Nevi’im.

Ny Nevi’im rishonim na Mpaminany taloha[hanova | hanova ny fango]

Ny Nevi’im rishonim dia ireo boky sokajîn’ny Kristiana ho boky ara-tantara. Misy boky efatra ny ao amin'ny Nevi'im rishonim dia ireto avy:

  • Sefer Yehoshua na Yehoshua : Josoa

Marihina fa tsy misaraka ho boky roa ireo Bokin’ny Mpajaka ao amin’ny Baiboly hebreo - torak'izany koa ny Bokin'i Samoela.

Ny Nevi'im aharonim na Mpaminany taoriana.[hanova | hanova ny fango]

Ny bokin'ny mpaminany sisa rehetra dia ao amin'ny vondron'ireo atao hoe Nevi'im aharonim. Ny Kristiana dia manasokajy azy ireo ao amin’ny atao hoe bokin’ny mpaminany. Miisa efatra ny boki’ireo mpaminany taoriana, dia ireto avy:

  • Sefer Yeshayahu na Yeshayahu : Isaia
  • Sefer Yrmeyahu ("bokin'i Jeremià") na Yrmeyahu : Jeremia
  • Sefer Yehezkael ("bokin'i Ezekiela") na Yehezkael : Ezekiela

Ireo mpaminany taoriana telo voalohany dia atao hoe “mpaminany lehibe”. Ny Trei Assar dia manambatra ireo mpaminany miisa roa ambin’ny folo atao hoe "mpaminany madinika" – dia ireto avy: Sefer Hoshea (הושע) (Hosea), Sefer Yo'el (יואל) (Joela), Sefer Amos (עמוס) (Amosa), Sefer Ovadiyah (עובדיה) (Obadia), Sefer Yohnah (יונה) (Jona), Sefer Mikhah (מיכה) (Mika), Sefer Nahum (נחום) (Nahoma), Sefer 'Havakuk (חבקוק) (Habakoka), Sefer Tsefaniyah (צפניה) (Zefania), Sefer Haggai (חגי) (Hagay), Sefer Zekhariyah (זכריה) (Zakaria) ary Sefer Malakhi (מלאכי) (Malakia).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]