Bokin'i Hagay

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny Mpaminany Hagay, taona 985

Ny Bokin’i Hagay na Bokin’i Akjea dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’reo atao hoe “mpaminany madinika” i Hagay.

Ny boky dia fitambarana faminaniana efatra izay ampitain’i Hagay amin’i Zorobabela, governoran’ny faritanin’i Joda, sy amin’i Josoa mpisorom-be mandritra ny fanamboarana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema tamin’ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny mpaminany Hagay dia isan’ireo izay nanetsiketsika ny fahatongavan-tsain’ireo Jiosy nantsoina taorian’ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ny taona 516 tal. J.K. Ao amin’ireo faminaniana ireo, i Hagay dia mamboraka ny faniriany ny amin'ny hahitany ny hahavitan’ny Tempoly haingana.

Testamenta Taloha

Ny fanoratana ny boky[hanova | hanova ny fango]

Ny fanambarana ireo lahatsoratra ireo sy ny fandraiketana azy ireo farany dia nataon’olon-kafa fa tsy nataon’i Hagay, satria ny mpaminany dia tsy tondroin’ny boky amin’ny fampiasana mpisolo tena voalohany (izaho, aho, ahy). Tsy lavitra loatra ny fotoana nisehoan’ny zavatra resahiny ny fotoana nanambarana ny boky.

Fizaràn’ny boky[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina telo ny Bokin’i Hagay:

Ny faminanian’i Hagay dia niseho tamin’ny taona 520 tal. J.K., taona nampisy haintany sy tsy hafaliam-po teo amin’ireo mpisesitany avy any Babilona izay vao nody tao Jerosalema. Nanazava ny anton’izany loza izany ilay mpaminany: ny vahoaka dia tsy niraharaha ny fanorenana ny Tempoly fa samy nanamboatra ny tranony avy. Namporisika an’i Zorobabela sy i Josoa mba hitaona indray ny vahoaka hanohy ny asa i Hagay (1.1-15).

Nitohy ny asa tamin’ny volana manaraka, nefa nila fankaherezana indray ny vahoaka. Nampivondrona azy ireo indray i Hagay tamin’ny nanambarany fa hitoetra eo amin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra sady hanao izay hirotsahan’ny volamena sy ny volafotsin’ny firenena rehetra no hofenoin’Andriamanitra amin’ny voninahiny ny Tempoly (2.1-9)

Nifarana amin’ny faminaniana roa niseho taty aoriana tamin’io taona io ihany ny Bokin’i Hagay. Ny voalohany (2.10-19) dia manontany ireo mpisorona ny amin’ny fahadiovana sy ny tsy fahadiovan’ny fivavahana atao ao amin’ny Tempoly, nohelohiny angamba ireo Samaritana izay manana fahazarana tsy madio sady nampanantena fahavokarana noho ny nahavitana ny Tempoly faharoa. Ny faminaniana faharoa (2.20-23) dia manambara ny andron’ny Fitsarana izay handravana ny firenena jentilisa rehetra.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]