Jodea

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Jodea na Jodia dia faritra be tendrombohitra resahina ao amin'ny Baiboly izay mifanandrify amin'ny ampahan'i Jodrania Andrefana sy ny ampahan'ny faritra atsimon'i Israely ankehitriny. Izany hoe ao amin'ny tapany atsimon'i Palestina sady voafetran'ny Ranomasina Maty ao atsinanana ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana no misy azy.

Avy amin'ny anaran'ny fokon'i Jodà (hebreo: שֵׁבֶט יְהוּדָה / Shevet Yehudah) io anarana Jodea na Jodia io. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe יהודה / Yehudah i Jodea.

Tamin'ny Andro Taloha dia ivon'ny fanjakana sy faritany maro i Jodea, ka isan'izany ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny Andron'ny Vy, ny faritany persianan'i Jodea Medinata (hebreo: / Yehud Medinata), ny fanjakam-pianakaviana hasmoneana ary ny fanjakam-pianakavina herodiana, ary taty aoriana ny faritany romanan'i Jodea (latina: Iudaea).

Ny fari-tanin'i Jodea dia tsy nitsaha-niova nandritra ny tantara vokatry ny fanjakana nifandilby nifehy azy.

Ny ampahany lehibe amin'i Jodea dia ao Jordania Andrefana amin'izao (izay nobodoin'i Israely hatramin'ny taona 1967 no mankaty). Faritra be havoana sy tany karankaina Jodea sady ahitana tany lemaka mahavokatra manamorona ny Ranomasina Mediteranea izay miteraka ny fandrosoan'ny fambolena isan-karazany mety amin'ny faritra mediteraneana (varimbazaha, oliva, voasary, aviavy ary voaloboka indrindraindrindra). Ao atsinanan'ireo havoana ireo no ahitana ny tany efitr'i Jodea. Ahitana harena an-kibon'ny tany roy ny kobalta sy ny brôma koa ny ao amin'io faritra io. Amin'izao fotoana izao dia i Jerosalema sy i Betlehema ary i Hebrona no tanàna foibem-pivavahana.

Talohan'ny fahababoana tany Babilona sy ny fanafahana ny Jiosy tamin'ny taona 538 tal. J.K. dia niforona ny Fanjakan'i Jodà taloha, ka i Jerosalema no natao renivohiny. Azon'ny Babiloniana ny ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny taona 586 tal. J.K. ka rava i Jerosalema sy ny Tempoliny dia natao sesitany ny akamaroan'ny mponina tao. Rehefa avy nanjaka tamin'io faritra io ny Persiana sy ny fianakaviana ptolemaika dia ny Seleokida tao Siria indray no nanjaka taminy avy eo izy nahazo fahaleovan-tena indray tamin'ny taona 141 tal. J.K. teo ambany fitarihan'ny Makabeo (izany hoe ny Hasmoneana) izay nadroaka ny tsy Jiosy sy ny Siriana. Tamin'ny taona 63 tal. J.K. dia azon'ny Romana i Jodea ka i Heroda Lehibe no mpanjaka voalohany nanapaka azy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Rehefa naongana i Arkelaosy zanak'i Heroda dia nakambana tamin'i Siria mba hiankina aminy i Jodea. Hatramin'ny taona 41 taor. J.K. ka hatramin'ny 44 taor. J.K. dia natolotra ny mpanjaka Heroda Agripa I izy alohan'ny hanambarana azy amin'ny Fanjakana romana tamin'ny taona 44 taor. J.K.