Bokin'i Jeremia

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny mpaminany Jeremia mampanao sora-tononina, nataon'i Gustave Doré.

Ny Bokin’i Jeremia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana izay mitantara ny fotoana mahatsiravina taloha kelin'ny hadravan'ny Babiloniana ny Fanjakan'i Joda sy ny nahatanterahan'izany noho ny tsy fanajan'ireo mpanjakan'i Joda an'Andriamanitra. Betsaka ny Jiosy natao sesitany nefa nisy ikany koa ireo nijanona tao Palestina teo ambany fanaraha-mason'ny solonten'i Babilona.

Ny fanoratana ny boky[hanova | hanova ny fango]

Tsy voasoratra mitohy indray mandeha ny Bokin’i Jeremia manontolo. Misy amin’ireo mpikaroka ny mihevitra fa tsy i Jeremia irery no nanoratra fa tao koa ireo lahatsoratra natovan'ireo mpandahatra deoteronomista taty aorian’ny Fahababoana. Porofon'izany fomba fanoratra ao amin’ny boky dia mitovy amin’ny fomba fanoratra tamin’ny taonjato faha-7 sy fanomnohan’ny faha-6 tal. J.K. Nefa ny teolojian’i Jeremia mpaminany no tena manjaka ao. Somary mikorontana ny fonoratana ny boky (fotoana, lohahevitra). Tsy nilahatra araka ny fotoana nisehoan’ny faminaniana izany fa matetika nalahatra araka ny lohahevitra izay miverimbrina. Miseho amin’ny endrika roa ny Bokin’i Jeremia, dia ny boky amin’ny fiteny grika (hita ao amin’ny Septanta) izay fohy kokoa sy ny amin’ny fiteny hebreo (hita ao amin’ny Volgata) izay lava kokoa.

Mitomany ny faharavan'i Jerosalema i Jeremia, nataon'i Rembrandt, 1630.

Famintinana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin’ny Bokin'i Jeremia dia manambara hatrany ny hafatr’Andriamanitra ny mpaminany Jeremia ny amin’ny hamaizany an’i Joda nefa tsy nihaino azy ireo mpitondra. Nampahatsiahy i Jeremia fa nanapaka ny fanekena ny amin’ny hanompoana an’Andriamanitra i Joda; ka ny setrin’izany dia famaizana azy amin’ny alalan’ny famelana ny Babiloniana haka an’i Jerosalma. Tsy i Joda ihany anefa no hofaizin’Andriamanitra fa ireo firenena izay nifandimby niady sy nampijaly ny vahoakany koa. Nefa tetsy an-kilany dia nampanantena Andriamanitra fa hitondra ny vahoakany hiverina any an-tanindrazany idray andro any, ka amin’izany andro izany dia hanao "Fanekena vaovao " aminy. Nataon’i Jeremia soratononina tamin’i Baroka ny faminaniany sy izay tokony hatao amin’ny boky. Nodoran’ny mpanjaka Joiakima izany rehefa avy novakina teo anatrehany ka naverina nosoratana indray sy nofenoina taty aoriana (jereo : toko faha-36).

Fizaràn’ny boky[hanova | hanova ny fango]

Testamenta Taloha

Azo zaraina efatra ny Bokin'i Jeremia:

Famaizana an’i Joda sy an’i Jerosalema (1.1 – 25.38)[hanova | hanova ny fango]

  • Faminaniana tamin’ny fotoana nitondran’i Josia (1.1 – 6.30)
  • Faminaniana tamin’ny fotoana nanjakan’i Joiakima (7.1 – 20.18)
  • Faminaniana taorian’ny nitondran’i Joiakima (21.1 – 24.19)
  • I Babilona, ilay fahavalon’Andriamanitra (25.1 – 25.10)
  • Tapany voalohany amin’ny fanamelohana ireo firenena maro (25.14 – 25.38)

Faminaniam-piadanana (26.1 – 33.26)[hanova | hanova ny fango]

  • I Jeremia no tena mpaminany marina (26.1 – 26.24)
  • Ilay boky kely ho an’ireo any an-tsesitany sy fanoherana ny mpaminany sandoka (27.1 – 29.32)
  • Fampiononana sy ny fampanantenan’Andriamanitra fampodiana avy any an-tsesitany (30.1 – 33.26)

Ny nitranga nandritra ny asan’i Jeremia sy ny fahoriany (34.1 – 45.5)[hanova | hanova ny fango]

  • Faminaniana ny amin’ny zavatra hanjo an’i Zedekia (34.1 – 34.21)
  • Ny amin’ny Rekabita (35.1 – 35.18)
  • Ireo fahorian’i Jeremia (36.1 – 45.5)

Ny hanjo ireo firenena hafa sy i Jerosalema (46.1 – 52.34)[hanova | hanova ny fango]

  • Faminaniana manameloka ireo firenena maro (46.1 – 51.64)
  • Fanampiny ny amin’ny fahalavoan’i Jerosalema (52.1 – 52.34)

Jereo koa :[hanova | hanova ny fango]