Mpanjakan' i Jodà

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpanjakan' i Jodà dia ireo mpanjaka avy amin' ny fokon' i Israely lazaina ao amin' ny Baiboly fa nanapaka ny tapany atsimon' ny tanin' i Israely ao Palestina, izay atao hoe Fanjakan' i Jodà, taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Israely ho roa nanomboka tamin' ny taona 930 tal. J.K. hatramin' ny taona 586 tal. J.K. Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly (na Saola) sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna (na Salômôna) dia mpanjakan' i Israely tamin' ity fanjakana ity mbola tokana tsy mivaky. Nisy roapolo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà, raha tsy isaina i Saoly (שאול / Shā’ûl) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Salômôna (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

  1. Rehôbôama na Rôbôama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);
  2. Abiama na Abia (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);
  3. Asa (hebreo: אסא / ’Asa);
  4. Jôsafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);
  5. Jehôrama na Jôrama (hebreo: יהורם / Yehoram);
  6. Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);
  7. Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);
  8. Jôasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yehoash);
  9. Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);
  10. Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);
  11. Jôtama (hebreo: יותם / Yotam);
  12. Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);
  13. Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);
  14. Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):
  15. Amôna (hebreo: אמון / ’Amon);
  16. Jôsia na Jôsiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);
  17. Jôahaza na Jôakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);
  18. Jôiakima na Jôakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);
  19. Jôiakina na Jôasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) na Jekonia na Jekoniasa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);
  20. Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]