Manase

Avy amin'i Wikipedia
Ny vavaka sy ny fifonan' i Manase, taona 1904.

I Manase dia mpanjakan' i Jodà izay nitondra tamin' ny taona 687 hatramin' ny taona 642 tal. J.K.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia soratana hoe מְנַשֶּׁה‬ / Menasheh, amin' ny teny grika dia Μανασσῆς / Manassês na Manassís ary amin' ny teny latina dia Manasses.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Resahina ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izy sady voalaza ao fa nitondra tena tahaka ny adala araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 21.1-18). Lasa babo izy dia nentina tany Babilôna ka tany izy no nibebaka sy nitalaho tamin' Andriamanitra mba havela heloka. Taorian' izany dia tafaverina teo amin' ny fanjakana indray izy araka ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 33.11-13 sy 18-19).

Boky amin' ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Misy boky apôkrifa na pseodepigrafan' ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Vavak' i Manase, izay mirakitra ny vavaka sy ny fiaiken-keloka nataon'ilay mpanjaka nandritra ny figadrany tany Babilôna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).