Asa (mpanjakan' i Jodà)

Avy amin'i Wikipedia

I Asa dia mpanjakan' i Jodà nandritra ny 40 taona hatramin' ny fiafaran' ny taonjato faha-10 tal. J.K. ka hatramin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-9 tal. J.K. Zanaky ny mpanjaka Abiama (na Abia) izay nodimbiasiny izy, ary rain' ny mpanjaka Jôsafata izay nandimby azy. I Azoba zanak' i Sily no vadiny.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe אָסָא /ʾĀsāʾ izy amin' ny teny hebreo ary ᾿Ασὰ / Asa amin' ny teny grika ary Asa koa amin' ny teny latina. Ny Baiboly amin' ny teny malagasy, na prôtestanta na katôlika, dia samy manoratra hoe Asa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).