Ahazia (mpanjakan'i Jodà)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Ahazia na Okoziasa dia iray amin'ireo mpanjakan'i Jodà, zanak'i Jorama sy i Atalia, araka ny Baiboly. Nanjaka nandritra ny iray taona izy tamin'ny taonjato faha-9 tal. J.K. Ny Baiboly dia milaza zay ho mpanjaka tsy tia vavaka. Tsy afangaro amin'i Ahazia na Okoziasa mpanjakan'i Israely izy.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אֲחַזְיָהוּ /ʾĂḥazyāhû izy, fa amin'ny teny grika kosa dia ᾿Οχοζίας / Ochozias, ary amin'ny teny latina dia Ahazias.

Ao amin'ny lahatsoratra hebreo sy ao amin'ny Volgata dia atao hoe Ahazia ny zanak'i Jorama nandimby azy teo amin'ny fitondrana. Atao hoe Joahaza na Joakaza izy ao amin'ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 21.17 sy 2Tant. 25.23), anarana izay azo avy amin'ny fampifamadihana ny singa mitambatra ao amin'ny anarany, dia ny hoe aḥz sy ny hoe yāhû na yĕhô, izay manome ny anarana hoe יְהוֹאָחָז / Yĕhôʾāḥāz (Joahaza) sady misolo ny hoe אֲחַזְיָהוּ /ʾăḥazyāhû (Ahazia).

Ny anarana nosimbana endrika hoe Azaria (hebreo: עֲזַרְיָהוּ /ʿĂzaryāhû dia hita koa ao amin'ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 22.64). Ao amin'ny Septoajinta dia atao hoe ᾿Οχοζίας / Ochozias izy, afa-tsy ao amin'ny 2Tant. 25.23 izay iantsoana azy hoe ᾿Ιωάχαζ / Iôachaz (Joahaza na Joakaza) sahala amin'ny dikan-teny hebreo.

Ny dikan-teny amin'ny fiteny isam-paritra na isam-pirenena dia indraidray makaiky ny fanononana hebreo fa indraindray oa manakaiky ny fanononana grika.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]