Tahirin-kevitra deoterônômista

Avy amin'i Wikipedia

Ny tahirin-kevitra deoterônômista na loharano deoterônômista, izay hafohezina amin' ny litera D, dia mahafaoka ny Bokin' ny Deoterônômia manontolo izay niavian' ny anarany. Hita ao amin' ny Bokin' i Josoa sy ny Bokin' ny Mpitsara anefa ny fomba fanorany sy ny foto-pampianarany: ireo lahatsoratra ireo sy ny Bokin' ny Deoterônômia dia manome zavatra miendrika tahirin-kevitra tokana. Hita koa ao amin' ny bokin' ny mpaminany, indrindra ao amin'ny Bokin' i Hôsea sy ny Bokin' i Jeremia koa ny hevitra sy ny toetra mampiavaka indrindra io tahirin-kevitra io. Hita matetika sy miharihary mazava ao amin' ny Bokin'ny Deoterônômia ny fomba fiheverana sy ny fomba fanaovan-javatra ao aminy izay nakana ny aingam-panahin' ny faminaniana ao amin' i Israely, ka izany no anaovana ny anaran' io tahirin-kevitra io hoe "deoterônômista"[1].

Ny tahirin-kevitra deoterônômista dia lahatsoratra vinavinaim-pisiana araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin' ny taonjato faha-18 nefa misy ireo mpikaroka taty amin' ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy. Araka ny mpomba io petra-kevitra io dia iray amin' ireo loharano na tahirin-kevitra nakana singa nakambana hiforonan' ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy io, ka ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra elôhista sy ny iahvista ary ny an' ny mpisorona.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Pentateuque (Documents du)" in Encyclopaedia Universalis