Bokin'ny Salamo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny mpaminany Davida - nataon'i Nikolaos Doxaras (1705-1775)

Ny Bokin'ny Salamo, na Salamo, dia boky ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha izay misy amboaran-kira sy tononkalo fiderana an'Andriamanitra mahatratra 150. Voasokajy ho bokim-pahendrena na soratra masina izy ka atao amin'ny teny grika hoe ἅγιογραφία / hagiographia ("soratra masina"). Voasokajy ho isan'ireo atao amin'ny teny hebreo hoe Ketuvim ("soratra") izy.

Ny horonambokin'ny Salamo

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Bokin'ny Salamo na Salamo dia fanagasiana ny teny grika hoe Βίβλος Ψαλμών / Biblos Psalmôn ("Bokin-kira", "Bokin'antsa") na Ψαλμοί / Psalmoi ("hira, antsa" (milaza maro)). Izany dia nenti-mandika ny teny hebreo hoe Sefer Tehillim ("Bokim-piderana" na "Bokin-kira fiderana") izay tsorina fotsiny amin'ny hoe Tehillim ("Fiderana" na "Hira fiderana").

Lohahevitra[hanova | hanova ny fango]

Tsy hira fiderana ranofotsiny anefa no hita ao amin'ny Salamo fa misy ihany koa ny hira miompana amin'ny lohahevitra hafa. Ireto misy ohatra amin'ireo lohahevitra hita ao:

  • salamo fiderana an'Andriamanitra (ohatra: faha-105),
  • salamo fitarainan'olon-tokana amin'Andriamanitra (ohatra: faha-13),
  • salamo fitarainan'ny vahoaka amin'Andriamanitra,
  • salamo finoana ny herin'Andriamanitra (ohatra: faha-47),
  • salamo fisaorana an'Andriamanitra,
  • salamo fiderana atao ho an'ny mpanjaka (ohatra: faha-72),
  • salamo hanhoana ny fitiavana an'i Jerosalema (ohatra: faha-122)
  • salamo fankalazana andro firavoravoana (ohatra: faha-126)
  • ary salamom-pahendrena sy fampianarana (ohatra: voalohany).
Testamenta Taloha

Ny salamo tsirairay ao amin'ny Baiboly dia tsy natokotoko fa nalahatra. Tsy fiteny, ohatra, ny hoe "Salamo toko faha-10" fa ny hoe "Salamo faha-10" no fiteny. Ny tsirairay amin'izay tokony ho natao hoe "toko" no atao hoe "salamo".

Fizaràna ho boky dimy[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho boky dimy ny Bokin'ny Salamo:

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 41;
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 72;
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 89;
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 106;
  • Boky fahadimy: Sal. 107 - 150

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]