Salamo faha-94

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-94 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-93 no eo alohany ary ny faha-95 no manaraka azy.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikan-teny katôlika[hanova | hanova ny fango]

1Ry Iaveh, Andriamanitry ny famaliana,

ry Andriamanitry ny famaliana, misehoa!

      2Mitsangàna, ry mpitsara ny tany,

valio, araka ny asany, ny mpiavonavona.

      3Mandra-pahoviana no handresen'ny ratsy fanahy?

      4Mandefa teny avonavona tsy erany izy,

mirehareha avokoa ireo mpanao ratsy.

      5Iaveh ô, izy ireo dia manorotoro ny vahoakanao,

mampahory ny lovanao,

      6mamono ny mpitondratena sy ny vahiny,

mahafaty ny kamboty,

      7ka manao hoe: Tsy mijery akory Iaveh,

tsy asian'Andriamantr'i Jakoba raharaha akory izany!

      8Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala!

Rahoviana no mba hanana fahalalana hianareo, ry adala?

      9Tsy handre va ilay namboly ny sofina?

Tsy hahita va ilay namorona ny maso?

      10Tsy hamay va ilay manasazy ny firenena?

Tsy hahalala va, ilay manome saina ny olona?

      11Mahalala ny hevitry ny olombelona Iaveh,

ary fantany fa zava-poana izany.

      12Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh,

sady omenao fampianarana ny lalànao,

      13mba hanonenao azy amin'ny andron'ny fahoriana,

mandra-pahavoahady ny lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

      14Fa tsy hanary ny vahoakany Iaveh,

tsy hahafoy ny lovany izy;

      15fa tsy maintsy hifanaraka amin'ny rariny indray ny fitsarana,

ary hihoby amin'izany avokoa ny olona mahitsy fo.

      16Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy?

Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?

      17Raha tsy Iaveh no vonjiko,

dia halaky mitoetra any amin'ny fonenan'ny fahanginginana ny fanahiko.

      18Raha vao milaza aho hoe: Mangozohozo ny tongotro,

dia tohanan'ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!

      19Raha akorontan'ny ahiahy marobe ny saiko:

Ampifalian'ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

      20Manam-pikambanana aminao akory va, ny fitsarana mandoza,

izay manao ratsy, manaraka ny fomba fitsarana tsy ara-dalana?

      21Midodododo hamono aina ny marina izy ireo;

ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.

      22Iaveh anefa no trano mimandako,

ny Andriamanitro no vatolampy ialofako.

      23Hataony mifotitra amin'ireny ny helony;

ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny:

haringan'ny Tompo Andriamanitra izy!

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]