Salamo faha-20

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-20 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikan-teny katôlika[hanova | hanova ny fango]

 1Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.

      2Hihaino anao amin'ny andron'ny fahoriana anie Iaveh;

hiaro anao anie ny anaran'ny Andriamanitr'i Jakoba.

      3Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerany masina anie izy;

hanohana anao avy any Siona anie izy!

      4Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie izy,

ary hankasitraka ny soronao dorana! - Selà.

      5Homeny anao anie izay irin'ny fonao;

ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!

      6Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin'ny hobin-kafaliana;

hanangam-paneva amin'ny anaran'Andriamanitsika;

hotanterahin'ny Tompo anie izay irinao rehetra!

      7Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony Iaveh;

hihaino azy izy any an-danitra, fonenany masina,

amin'ny famonjena mahery hataon'ny tànany ankavanana.

      8Ny sasany mitoky amin'ny kalesiny;

ny sasany amin'ny soavaliny;

fa isika kosa miantso ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika.

      9Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo;

izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.

      10Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! -

Hihaino antsika anie izy amin'izay andro iantsoantsika azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]