Salamo faha-93

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-93 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-92 no eo alohany ary ny faha-94 no manaraka azy.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikan-teny katôlika[hanova | hanova ny fango]

1Mpanjaka Iaveh, mitafy fiandrianana izy, mitafy Iaveh, misikina hery izy:

ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.

      2Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao,

misy hatramin'ny mandrakizay hianao.

      3Ny ony, ry Iaveh, manandratra,

ny ony manandratra ny feony,

ny ony manandratra ny onjany mimamamama.

      4Mihoatra noho ny feon'ny ranobe,

sy ny onjan-dranomasina mahery,

dia be voninahitra Iaveh any amin'ny avo!

      5Tsy miova ny teny vavolombelonao,

ny fahamasinana no mendrika ny tranonao;

mandritra ny faharetan'ny andro rehetra, ry Iaveh ô! >

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]