Salamo faha-95

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-95 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-94 no eo alohany ary ny faha-96 no manaraka azy.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikan-teny katôlika[hanova | hanova ny fango]

1Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo!

Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!

      2Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana;

aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.

      3Fa Iaveh dia Andriamanitra lehibe,

mpanjaka lehibe, ambonin'ireo andriamanitra rehetra.

      4Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany,

ary azy ny tampon'ny tendrombohitra.

      5Azy ny ranomasina, fa izy no nanao azy;

mbamin'ny tany koa, fa ny tànany no namorona azy.

      6Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika;

mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.

      7Fa izy no Andriamanitsika,

ary isika dia vahoaka eo am-balany,

andian'ondry entin'ny tànany.

      8Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,

tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,

      9izay nakan'ny razanareo fanahy ahy,

sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.

      10Nandritra ny efapolo taona aho monainan'izany taranaka izany,

ka nanao hoe: Vahoaka manana izay fo mania izy,

ary nahalala ny làlako.

      11Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako aho, nanao hoe:

Tsy hiditra amin'ny fitsaharako izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]