Menahema

Avy amin'i Wikipedia

I Menahema dia zanak' i Gady sady mpanjakan' i Israely nandritra ny folo taona teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Novonoiny ny mpanjaka Saloma ka niakatra teo amin' ny fitondrana izy. Ny zanany atao hoe Pekahia no nandimby azy. Mba hifehezany an' i Israely dia nanao vono moka olona maro izy. Tantarain' ny Baiboly ny fitiavan' i Menahema ny fanompoan-tsampy, sahala amin' ireo mpanjakan' i Israely teo alohany. Nidiran' ny Teglata-Falasara III, mpanjakan' i Asiria ny fanjakan' i Menahema ka voatery nandoa hetra 1 000 talenta volafotsy izy.

Araka an' i William F. Albright dia ny tao 745 hatramin' ny 738 tal. J.K. no nanjakan' i menahema fa i Edwin R. Thiele kosa dia mandroso ny taona 752 hatramin' ny 742 tal. J.K.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia מְנַחֵם / Menaḥēm no fiantsoana azy fa amin' ny teny grika kosa dia Manaem ary amin' ny teny latina dia Manahem.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).