Jerôbôama II

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
I Jeroboama II, araka ny Promptuarii Iconum Insigniorum (1553)

I Jerôbôama II dia mpanjakan'i Israely tamin'ny taona 782 hatramin'ny 753 tal . J.K. Nandimby an-drainy Jôasy (na Jôasa) izy ka nanjaka nandritra ny 40 taona tao Israely. Nandimby azy i Zakaria zanany. Na dia nanoro hevitra azy aza ny mpaminany Hôsea (na Ôsea) sy Amôsa (na Amôsy) dia nanohy ny fitondran-tenany ratsin'ireo mpanjaka nodimbiasiny izy.

Nalain'i Jerôbôama II tamin'i Arama ireo faritanin'i Amôna sy Môaba ao atsinanan'ny ony Jordana izay nalain'i Hazaela mpanjakan'i Arama-Damasy (na Arama-Damaskosy) tany aloha tamin'ny andron'ny mpanjaka Jeho. Tanteraka noho izany ny faminanian'i Jôna (na Jônasa).

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny teny hebreo dia יָרָבְעָם‎ / Yarob‘am no anarany fa amin'ny teny grika kosa dia Ἱεροβοάμ / Hieroboam ary amin'ny teny latina dia Hieroboam. Tantaraina ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka ny fanjakany.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan'i Israely[hanova | hanova ny fango]

Saoly - Isboseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba(na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jorama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Salôma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).