Baasa

Avy amin'i Wikipedia

I Baasa na Basa dia mpanjakan' i Israely nanomboka tamin' ny taona 909 hatramin' ny taona 886 tal. J.K. (misy koa ny manao hoe 942 hatramin' ny 919 tal. J.K.). Talohan' ny naha mpanjaka azy dia mpitari-tafiky ny mpanjaka Nadaba, zanak' i Jerôbôama I, izy. Tamin' ny fahirano nataon' izy ireo ny tanàna filistina Gebetôna na Gibetôna dia novonoiny i Nadaba ka nalainy ho azy ny fitondrana sady naripany koa ny fianakavian' i Jerôbôama I iray manontolo. maro ny vonoana olona nontanterahiny ary nanompo sampy izy ka tsy nankasitraka izany i Jeho. Natahotra an' i Baasa i Asa mpanjakan' i Jodà ka nitady vonjy tamin' ny mpanjakan' i Arama atao hoe Bena Hadada I (na Ben-Hadada I) izay naka manontolo ny firenen' i Naftaly. Nanjaka nandritra ny 23 taona i Baasa ka ny zanany atao hoe Ela no nandimby azy. Atao hoe בַּעְשָׁא‬ / Baʿashaʾ izy amin' ny teny hebreo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).