Zakaria (mpanjakan' i Israely)

Avy amin'i Wikipedia

I Zakaria dia mpanjakan' i Israely teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Zanak' i Jerôbôama II izy. Enim-bolana fotsiny no nanjakany dia novonoin' ny mpanongam-panjakana atao hoe Saloma izy. Araka ny Baiboly dia maty noho ny tsy fanarahana ny fivavahana marina izy.

Raha ny amin' ny fotoana nanjakany dia lazain' i William Foxwell Albright fa tamin' ny taona 746 hatramin' ny 745 tal. J.K. izany, nefa i Edwin R. Thiele dia manohana fa tamin' ny taona 753 hatramin' ny 752 tal. J.K. izany. I Floyd N. Jones dia milaza fa mety nanjaka nandritra ny 12 taona i Zakaria satria tsy milaza ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.8) fa nanomboka nanjaka nandritra ny faha-38 taona nanjakan' i Ozia (na Oziasa) izy fa ny enim-bolana farany nanjakany no mifanandrify amin' izany. I Jones kosa dia milaza fa mety nanjaka tamin' ny taona 748 hatramin' ny 772 tal. J.K. i Zakaria.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin ny fiteny hebreo dia זְכַרְיָה‎ / Zəḵaryāh no anarany fa amin' ny fiteny latina dia Zacharias. Ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.8-12) no itantarana ny fanjakany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).