Peka (mpanjakan' i Israely)

Avy amin'i Wikipedia

I Peka na Fasea dia mpanjakan' i Israely nandritra ny dimy taona teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Zanak' i Remalia izy. Mpitari-tafiky ny mpanjaka Pekahia (na Faseia) izay novonoiny hakany ny fitondrana.

Lasa ambany fifehezan' i Rezona II mpanjakan' i Damasy (na Damaskosy) i Peka ka lasa nanafika an' i Ahaza (na Akaza) mpanjakan' i Jodà izy sy ity mpanjaka ity. Nila fanampiana amin' i Teglata-Falasara mpanjakan' i Asiria i Ahaza ka nahazo izany nefa nanome an' i Teglata-Falasara ny volamena tao amin' ny Tempoly ho takalon' izany. Azo tamin' i Peka ny tanànan' i Galaada (na Gileada) sy ny tanànan' i Galilea (na Galilia) ary ny tanin'ny fokon' i Naftaly (na Neftaly) sady nafindra tany Asiria ny vahoaka tamin' ny taona 734 tal. J.K. Nanohy nanjaka tao Samaria i Peka nefa teo ambany fifehezan' i Teglata-Falasara. Novonoin' i Hôsea (na Ôsea) i Peka tamin' ny taona 732 tal. J.K. ka ity mpamono ity no nandimby azy teo amin' ny fitondrana.

Araka an' i William F. Bright dia nanjaka tamin' ny taona 748 hatramin' ny 732 tal. J.K. i Peka fa i Edwin R. Thiele kosa milaza fa tokony ho ny taona 740 hatramin' ny 732 izany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny fiteny hebreo dia פֶּ֨קַח‎ / Peqaḥ no anaran'i Peka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).