Mpaminanin' ny silamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpaminanin' ny silamo dia olona notendren' Andriamanitra hitondra ny hafany momba ny maha tokana an' Andriamanitra sy ny finoana Andriamatra tokana araka ny efa ninoan' i Adama izany. Manavaka ny atao hoe mpaminany (نبی / nabī amin' ny teny arabo) amin' ny atao hoe mpitondra hafatra na iraka (رسول / rasūl) anefa ny silamo. Ny mpaminany iray dia mety ho irak' Andriamanitra (rasûl Allah) koa.

Anisan' ny mpaminanin' ny silamo ireo patriarka roa ambin' ny folo ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny olona hafa manana ny maha izy azy hafa ary i Mohamady (izay atao hoe "tombokasen' ny mpaminany"). Miisa 25 ny mpaminany resahina ao amin' ny Kor'any. Araka ny Kor'any dia i Adama (آدم / Âdam) no mpaminany voalohany. Ny lehibe indrindra, ankoatr' i Mohamady, dia i Nôa (نوح / Nûh), i Abrahama (إبراهيم / Ibrâhîm), i Davida (داوود, / Dâwûd), i Sôlômôna (سُلَيْمان, / Sulaymân) ary i Jesoa (عِيسى /ʿIsâ).

Misy karazany roa ny mpaminanin' ny silamo raha ny fiaviany no heverina, dia ny mpaminany hebreo sy ny mpaminany arabo.

Mpaminany hebreo[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo Hebreo resahina ao amin' ny Baiboly hebreo (na Tanakh) isain' ny Mozilmana ho mpaminany: i Adama (arabo: آدم / Âdam), i Henôka izay heverin' izy ireo ho i Idrisy (إدريس / Idrîs), i Nôa (نوح / Nûh), i Abrahama (إبراهيم / Ibrâhîm), i Ismaela (إسماعيل / Ismâʿîl), i Lôta (لوط, / Lût), i Isaaka (إسحاق / Ishâq), i Jakôba (يعقوب /Yaʿqûb), Jôsefa zanak' i Jakôba (يوسف / Yûsuf), i Sela (صالح / Ṣāliḥ) mpaminany resahina ao amin' ny Talmoda, Ebera (هود / Hûd), Joakima rain' i Miriama (عمران /ʿImran), i Mosesy (مُوسَى / Mûsâ), i Aarôna (هارون / Hârûn), i Jôba (أَيّوب / Ayyûb), Jetrô (شُعَيْب / Shuʿayb), i Jônà (يونس /Yûnas), i Sôlômôna (سُلَيْمان, / Sulaymân), i Davida (داوود, / Dâwûd), i Elia (إِلْيَاس / Ilyâs), i Elisa (اليَسَعَ / al-Yâsʿa), i Ezekiela (ذَو الكِفْل / Dhû'l-Kifl) ary i Ezra (عزير / ʿUzair). I Lokmàna (لقمان / Luqman) koa dia mpaminanin' ny finoana silamo manam-piaviana hebreo nefa tsy resahina ao amin' ny Testamenta Taloha. Ireto kosa ny olona resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao izay ataon' ny silamo fa mpaminany koa: i Zakaria rain' i Joany (زَكَرِيَّا / Zakarîyâ) sy i Joany mpanao batisa (يحْيى / Yahyâ) ary i Jesoa (عِيسى /ʿIsâ).

Mpaminany arabo[hanova | hanova ny fango]

Mpaminany arabo i Hoda (هود / Hûd), i Jetrô (شُعَيْب / Shuʿayb) mpaminanin' i Madiana sady rafozan' i Mosesy, i Salihy (صالح / Sâliḥ) mpaminanin' i Tamoda, ary i Mohamady (محمد / Muḥammad) mpaminany farany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]