Ezekiela

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny mpaminany Ezekiela, nataon'i Peter Paul Rubens, taona 1609-1610.

I Ezekiela dia mpisorona sy mpaminany tao Jerosalema resahina ao amin'ny Baiboly. Nentina natao sesitany tany Babilonia niaraka tamin’ireo Jiosy hafa avy any Jodà tamin’ny fotoan’ny Fahababoana, tamin’ny andron’i Dariosa Lehibe mpanjakan’i Persia tany amin’ny taonjato faha-6 tal. J.K.

Nofidin’Andriamanitra ho mpaminany ho an’ireo babo tany Babilona sy ireo sisa tavela tao Jerosalema i Ezekiela. Nanomboka tokony ho tamin’ny taona 597 tal. J.K. nandritra ireo taona faramparan’ny Fanjakan’i Jodà sady nifarana tamin’ny 570 tal. J.K. ny asa faminaniany.

I Ezekiela dia ataon'ny lovantsofina jiosy ho nanoratra ny Bokin'i Ezekiela.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe יְחֶזְקֵאל / Yəḥezqē’l amin'ny teny hebreo i Ezekiela. Io anarana io dia midika hoe "Hankahery azy anie Andriamanitra".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika