Mikà (mpaminany)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Mitaona ny Israelita hibebaka i Mika, natain'i Gustave Doré, taona 1866.

I Mikà na Mika na Mikea dia mpaminany voaresaka ao amin'ny Baiboly. Tany amin'ny tanàna atao hoe Moreseta ao atsimon'ny Fanjakan’i Jodà no nonenany ary tamin’ny andron'ny mpanjaka Jotama sy Ahaza (na Akaza) ary Hezekia (na Ezekiasa) no fotoana nahavelomany. Niaina tamin’ny fotoana mitovitovy i Mikà sy i Hosea ary i Isaia. Nanomboka ny asam-paminaniana izy teo anelanelan'ny taona 737 sy 696 tal. J.K. Nankahala ny fianinana an-drenivohitra izay ahitana karazam-pahotana maro izy sady nanao izay hiverenan'ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ara-tsosialy. I Mikà dia niasa amin'ny maha mpaminany azy tao amin'ny Fanjakan'i Jodà talohan'ny famaboana ny tananan'i Samaria tamin'ny taona 722 tal. J.K. sady nanatrika ny fandravana nataon'i Sankeriba ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny taona 701 tal. J.K.

Nivantana tamin'i Jerosalema indrindraindrindra ny hafany. Naminany ny handravana an'i Jerosalema sy an'i Samaria izy, ny handravana sy ny hanorenana indray amin'ny ho avy ny Fanjakan'i Jodà, ary nanome tsiny ny vahoakan'i Jodà izy amin'ny fangalarany sy ny fanompoan-tsampiny. Naminany ny hahaterahan'ny mesia ao Betlehema izy.

Sahala amin'i Isaia, i Mikà koa dia nitsikera ireo mpisorona nanan-karena sy ireo manam-pahefana ary ireo mpaminany sandoka izay nahazo ny fahefana sy ny tombontsoa rehetra. Notsikerainy torak'izany koa ny fanararaotan'ireo olona ao amin'ny saranga ambony tao Jerosalema sy ny fampiasana ny fivavahana mba hanafenana ny tsy fahamarinana nanjaka teo amin'ny fiaraha-monina.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]