Nahoma

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpaminany Nahoma, nataon'i James Tissot, taona 1888.

I Nahoma dia mpaminany voalaza ao amin' ny Baiboly. Tanàna atao hoe Alkosy no fonenany nefa tsy tena fantatra mazava ny misy azy io fa mety ho tany avaratr' i Galilea. Taloha kelin’ ny nandravana an’ i Ninive no niasan' i Nahoma amin' ny maha mpaminany azy. Vitsy ny zava-pantatra momba ny tantarany. Nanandratra ny tanindrazany ambony dia ambony izy. Araka ny hevitry ny olona sasany, i Nahoma dia naminany tamin' ny fanombohan' ny najakan' i Ahaza (740 tal. J.K.). Ny sasany anefa mihevitra fa ireo faminaniany dia manandrify ny antsasany farany amin' ny fotoana nanjakan' i Hezekia (taonjato faha-8 tal. J.K.). Izy no nanoratra ny Bokin' i Nahoma araka ny lovantsofina.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe נַחוּם / Naḥūm i Nahoma.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika