Tawrat

Avy amin'i Wikipedia

Ny Taoraty, antsoina koa hoe Taorà, dia anarana amin' ny teny arabo anondroana ny Torah ao anatin' ny toe-javatra misy azy amin' ny maha boky masina silamo azy izay inoan' ny Mozilmana fa nomen' Andriamanitra ny mpaminany sy ny iraka teo amin' ny Zanak' i Israely. Ao amin' ny Kor'any, ny teny hoe "Tawrat" dia miseho imbalo ambin' ny folo. Atao hoe توراة‎) / Tawrat izany boky izany amin' ny teny arabo. Rehefa resahina ny momba ny lovantsofina avy amin' ny Taoraty ny Mozilmana, dia tsy hoe ny Pentateoka (ny boky dimin' i Mosesy) ihany no ampitovina aminy, fa ny boky hafa ao amin' ny Baiboly hebreo (ny Testamenta Taloha) koa sy ny asasoratra talmodika sy midrasika. Ny Tawrat dia inoana fa nomen' i Allah an' i Mosesy (Musa).

Eny tokoa, nampidina ny Tawrat izahay, izay nisy fitarihana sy fahazavana tao anatiny. Ny mpaminany izay nanaiky [an' Andriamanitra] dia nitsara ny Jiosy tamin' izany, tahaka ny nataon' ny raby sy ny manam-pahaizana izay nanankinana ny Soratra Masin' Andriamanitra, ary vavolombelon' izany izy ireo. Koa aza matahotra ny olona fa matahora Ahy, ary aza atakalo vola kely [izany hoe tombony avy amin' izao tontolo izao] ny andininy avy Amiko. Ary na iza na iza tsy mitsara araka izay nambaran' Andriamanitra, dia ireo no tsy mino. — Kor'any 5:44

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]